Aller au contenu principal
Accueil
Eglise Adventiste du 7ème jour Lyon Est

Navigation principale

  • Accueil
  • EDS Jour
  • EDS Semaine
  • EDS Semaine dernière
  • EDS Semaine prochaine
Menu du compte de l'utilisateur
  • Se connecter

Fil d'Ariane

  1. Accueil
  2. EDS Jour

Ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra

Date
Jeudi 26 octobre 2023

Vakio ny Gen. 12:1-9. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, na dia rehefa toa manjavozavo aza ny lalàna miandry antsika?

Anisan'ny toetra tena nampiavaka an'i Abrahania ny fileferany tamin'ny sitrapon'Andriamanitra. Io fileferana io no nanamarika ny fanandramana rehetra niainany niaraka tamin'Andriamanitra. Ny antso natao tamin'i Abrahama: Naharay antso avy an-danitra toa mahavery hevitra i Abrahama: "Ary hoy Jehôvah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon 'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao." — Gen. 12:1. Azony nodian-tsy fantatra izany antso izany raha nandre feo avy any an-danitra izy, ka nanao izany ho toy ny zavatra noforonin'ny sainy fa tsy tena misy akory. Na koa azony natao ny namaly ny antso nanao hoe: "Tsy te handeha aho, eto no tiako". "Hankany amin'ny tany izay hasehoko anao"; hafahafa tokoa izany raha famaritan-toerana! Kanefa dia nekeny ilay antso. Nampileferiny tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapony ka nilaozany ny tranon'ny rainy sy ny taniny, "Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehôvah taminy" — Gen. 12:4.

 Ny fifidianana tany: Nisy ady teo amin' ireo mpanompon'i Lota sy ny an'i Abrahama, saingy tsy mba olona tia miady amin'ny havana sy ny iray rà aminy i Abrahama. Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra izy, Izay nitahy azy indray: "Ary Jehôvah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin 74, tany itoeranao itS) dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay." - Gen. 13:14,15. 

Ny fandravana an'i Sôdôma sy Gômôra: Rehefa nambaran' Andriamanitra tamin'i Abrahama izay hanjo ireo tanana roa ireo dia niezaka nanao izay hamonjena azy ireo i Abrahama noho ny fitiavany azy. Rava ihany ireo tanana ireo satria tsy nisy na dia olo-marina folo aza tao. Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra i Abrahama ary nanaiky ny fitsaran'Andriamanitra izany tanana izany. Afaka nampiasa an'i Abrahama Andriamanitra satria nilefitra Taminy tamin'ny toe-javatra rehetra izy. Tsy maintsy toy izany koa isika ankehitriny. Fanamby: Tojo olana isika ao amin'ny tanàna misy antsika rehefa mitory ny filazantsara araka ny tokony ho izy sy amim-pahamarinana. Ilaintsika ny mitalaho amin' Andriamanitra mba hidirany an-tsehatra. 

Manaova fihaikana: Mitadiava hevitra mba hifandraisana amin'ny olona izay eo am-piatrehana zava-tsarotra tahaka anao. Lazao amin' ilay olona fa mivavaka ho azy ianao, ary angataho Andriamanitra hampahafantatra anao izay azonao atao ho fanampiana azy. 

EDS Semaine

sam 25 nov 2023
Fampidirana
dim 26 nov 2023
Nebokadnezara
lun 27 nov 2023
Namana
mar 28 nov 2023
Mijoro ho vavolombelona amin'ireo manam-pahaizana: Nikodemosy
mer 29 nov 2023
Misasa amin'ireo mpanankarena
jeu 30 nov 2023
Mamita ny iraka amin'ireo manana ny maha-izy azy
ven 01 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine prochaine

sam 02 déc 2023
Fampidirana
dim 03 déc 2023
Hebreo iray tao Atana
lun 04 déc 2023
I Paoly tao Areopago
mar 05 déc 2023
I Paoly sy ilay Andriamanitra tsy fantratra
mer 06 déc 2023
Mampahafantratra Andriamanitra vaovao
jeu 07 déc 2023
Mihoatra ny fetra
ven 08 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine dernière

sam 18 nov 2023
Fampidirana
dim 19 nov 2023
Ny finoan'ireo namana
lun 20 nov 2023
Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany
mar 21 nov 2023
Ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina
mer 22 nov 2023
Manampy ireo mijaly
jeu 23 nov 2023
Fitiavana lehibe kokoa
ven 24 nov 2023
Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (41)
  • novembre 2023 (40)
Flux RSS
Propulsé par Drupal