Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra

Date
Jeudi 26 octobre 2023

Vakio ny Gen. 12:1-9. Inona no ambaran'ireo andininy ireo momba ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, na dia rehefa toa manjavozavo aza ny lalàna miandry antsika?

Anisan'ny toetra tena nampiavaka an'i Abrahania ny fileferany tamin'ny sitrapon'Andriamanitra. Io fileferana io no nanamarika ny fanandramana rehetra niainany niaraka tamin'Andriamanitra. Ny antso natao tamin'i Abrahama: Naharay antso avy an-danitra toa mahavery hevitra i Abrahama: "Ary hoy Jehôvah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon 'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao." — Gen. 12:1. Azony nodian-tsy fantatra izany antso izany raha nandre feo avy any an-danitra izy, ka nanao izany ho toy ny zavatra noforonin'ny sainy fa tsy tena misy akory. Na koa azony natao ny namaly ny antso nanao hoe: "Tsy te handeha aho, eto no tiako". "Hankany amin'ny tany izay hasehoko anao"; hafahafa tokoa izany raha famaritan-toerana! Kanefa dia nekeny ilay antso. Nampileferiny tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapony ka nilaozany ny tranon'ny rainy sy ny taniny, "Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehôvah taminy" — Gen. 12:4.

 Ny fifidianana tany: Nisy ady teo amin' ireo mpanompon'i Lota sy ny an'i Abrahama, saingy tsy mba olona tia miady amin'ny havana sy ny iray rà aminy i Abrahama. Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra izy, Izay nitahy azy indray: "Ary Jehôvah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin 74, tany itoeranao itS) dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay." - Gen. 13:14,15. 

Ny fandravana an'i Sôdôma sy Gômôra: Rehefa nambaran' Andriamanitra tamin'i Abrahama izay hanjo ireo tanana roa ireo dia niezaka nanao izay hamonjena azy ireo i Abrahama noho ny fitiavany azy. Rava ihany ireo tanana ireo satria tsy nisy na dia olo-marina folo aza tao. Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra i Abrahama ary nanaiky ny fitsaran'Andriamanitra izany tanana izany. Afaka nampiasa an'i Abrahama Andriamanitra satria nilefitra Taminy tamin'ny toe-javatra rehetra izy. Tsy maintsy toy izany koa isika ankehitriny. Fanamby: Tojo olana isika ao amin'ny tanàna misy antsika rehefa mitory ny filazantsara araka ny tokony ho izy sy amim-pahamarinana. Ilaintsika ny mitalaho amin' Andriamanitra mba hidirany an-tsehatra. 

Manaova fihaikana: Mitadiava hevitra mba hifandraisana amin'ny olona izay eo am-piatrehana zava-tsarotra tahaka anao. Lazao amin' ilay olona fa mivavaka ho azy ianao, ary angataho Andriamanitra hampahafantatra anao izay azonao atao ho fanampiana azy. 

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 fév 2026
La prééminence du Christ
dim 15 fév 2026
L’image du Dieu invisible
lun 16 fév 2026
Le premier-né de toute la création

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 fév 2026
Une citoyenneté céleste
dim 08 fév 2026
Des modèles
lun 09 fév 2026
«Demeurez fermes dans le Seigneur»
mar 10 fév 2026
Réjouissez-vous toujours dans le Seigneur
mer 11 fév 2026
L’objet de vos pensées...
jeu 12 fév 2026
Les clés du contentement
ven 13 fév 2026
Réflexion avancée
sam 14 fév 2026
La prééminence du Christ

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal