Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny finoan'ireo namana

Date
Dimanche 19 novembre 2023

Tantara manan-danja iray ao amin'ny Filazantsara no mitantara ny nataon'ireo lehilahy vitsivitsy mba hitondrana olona iray mila fanampiana (izay azo antoka fa naman'izy ireo) ho eo amin'i Jesôsy. Hitantsika amin'izay nitranga teto ny mety ho asa mafy tsy maintsy tanterahina mba hahafahana miasa amin'ireo mila fanampiana.

Vakio ny Lio. 5:17-26 (jereo ihany koa ny Mat. 9:1-8; Mar. 2:3-12). Inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara mikasika ny iraka sy ny asa fanompoana io?

Nandray ny andraikiny amin'ny fiahiana ilay namany ireo lehilahy ireo raha nitondra azy hankeo amin'i Jesôsy. Miantso antsika Andriamanitra mba hanao. tahaka ireo naman'ity lehilahy ity: hitarika ireo mila fanampiana ho eo amin'i Jesosy Kristy. Mitaky finoana sy asa, faharetana ary fahavononana izany asa izany, ary raha ilaina aza dia takiny koa ny fanaovana zavatra tsy mahazatra. Nanatona an'i Jesosy ireo lehilahy ireo kanefa sendra sakana. Tsy afaka nitondra ilay sakaizany malemy nankeo amin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny fitaovana mahazatra izy ireo. Tsy nilavo lefona izy fa nitady fomba iray hafa mba hitondrana azy hankeo amin'i Jesosy Kristy. Tamin'ny fandatsahana ilay sakaizany teo amin'ny tafon-trano! Ambaran'i Lioka anefa fa nankasitrahan'i Jesôsy ny zavatra nataon'izy ireo (jereo ny Lio. 5:20).

Fanirian'i Jesosy ny hitondrantsika ireo namantsika tsy manan-kery ho eo Aminy. Ny Baiboly dia maneho an'i Jesosy ho llay Mpitsabo lehibe izay maniry fatratra ny hamela heloka sy hanasitrana ireo mijaly, na iza izy ireo na iza.

Mandrisika antsika mba hanampy ireo olona tsy manan-kery i Ellen G. White: "Aza miandry ny hilazana aminao ny adidinao. Sokafy ny masonao ka jereo ireo manodidina anao; aoka ianao hifandray amin'ireo tsy manan-kery, ireo ory sy mahantra. Aza mihirim-belona amin'izy ireo, ary aza odian-tsy hita izay ilainy. Iza no haneho ireo toetra voasoratra ao amin'ny bokin'i Jakoba, amin'ny fananana ny fivavahana tena izy, dia izay tsy voapentin'ny fitiavan- tena na ny fahalovana? Iza no maniry fatratra ny hanao izay azony atao rehetra mba handraisana anjara amin'ilay drafi- panavotana lehibe?" - TFC, b. 2, t. 29.

I Jesosy mihitsy no naneho ny ohatry ny fomba hanampiana ireo tsy manan-kery, ary miantso antsika Izy mba hanao toy izany koa. Voalohany, aoka isika ho naman'izy ireny; rehefa izay dia fantarintsika ny ilainy; ary farany, dia tarihintsika izy ireo ho eo amin'i Jesosy llay tokana afaka hanampy azy. Tahaka izany no nataon'ireo lehilahy ao amin'ity tantara ity, tokony hanao toy izany koa isika amin'ny toe-javatra rehetra atrehintsika. Ny fanampiana dia mitarika ny hafa ho eo amin'llay hany afaka mamonjy azy, dia i Jesosy.

Iza amin'ireo manodidina anao no mila fanampiana amin'izao fotoana izao? Inona no hataonao ho azy ireo?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (32)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal