Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 08 décembre 2023

Anisan'ny lesona lehibe avy amin'ny tantaran'i Paoly sy ny fanandramany tao Areopago ny tokony hanadihadiana tsara ny toerana hiasana sy handinihana ny fomba tokony hiresahana amin'ireo vondron'olona tsy mpino izay tsy mbola nandre ny fahamarinana; tamin'izany fomba izany no nanjary nampisy vondrona mpino tao Atena.

"Ny teny nataon'ny apostoly sy ny filazana my toetrany sy ny manodidina azy araka izay nomen'ny tsindrimandrin Andriamanitra, dia hafindra amin'ny taranaka mandimby rehetra, ka hitondra vavolombelona ny amin'ny fahatokiany tsy azo hozongozonina, amin'ny herim-pony teo amin'ny naha-irery azy sy teo amin'ny zava-tsarotra ary amin'ny fandresena azony ho an'ny fivavahana kristiana eo anivon'ny fanompoan-tsampy indrindra.

«Harem-pahalalana sarobidy ho an'ny fiangonana ny tenin'i Paoly. Teo amin'ny toerana izay nety nahazoamy nilaza mora foana teny izay nampahatezitra ireto mpihaino azy be rehareha izy, ka nampiditra azy tamin'ny zava-tsarotra izany. Raha namely mivantana ny andriamanitra sy ny olona ambony ao an- tanána ny teniny, dia ny ho tandindomin-doza hitovy fiafarana amin'i Sokraty koa izy. Nefa noho ny fahaizana toetran 'olona nateraky ny fitiavan Andriamanitra, dia notarihiny tamim- pahendrena ny sain 'ireo Ateniana hiala amin'ireo andriamanitra jentilisa, tamin'ny nanambarany taminy llay Andriamanitra marina Izay tsy fantany»-VM, t. 211.

Nahavita zavatra miavaka tao Atena i Paoly; nahatondra harem-pahalalana ho an'ny fiangonana izy noho ny fifandraisany mivantana tamin'ny olona, noho ny fianarany mombany kolontsain'izy ireo sy ny fivavahany, ary noho ny fanajany ny fanoloran'izy ireo tena ho amin'ny zava-panahy. Noezahiny izay tsy hampahatezitra Ireo mpihaino azy. Zava-dehibe vita noho ny fitarihan Andriamanitra izany. Raha ny hevitr'i Ellen G. White dia harem-pahalalana tsy azontsika atao ambanin-javatra ao amin'ity tantara ity izany, amin'ny maha fiangonana antsika.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Raha raisintsika ho môdely ny tantaran'i Paoly tao Atena, inona ny dingana voalohany tokony hataon'izay rehetra vao manomboka asa fitoriana eo amin'ny tanana iray?
  2. Fitondrantena manao ahoana no takina amin'ny Kristianina hanorenana fifandraisana amin'ireo olona ao amin'izany tanána izany (sy any amin'ny foerana hafa rehetra) izay tsy mahafantatra an' Andriamanitra?
  3. Raha fohina isika mahita ireo karazana sampy ankehitriny, inona no tsy azontsika hatao, indrindra eo am-piandohana, raha vao manomboka asa eo anivon'ny olona manompo sampy?
  4. Azon'i Paoly natao ny nampahafantatra fotsiny ny momba llay Andriamanitra tia azy ireo ka nijanona hatreo, dia ho nahafa-po ny olona izany. Saingy nihoarany ny fetra, izay nahatonga ny olona hihevitra azy ho mpirediredy foana rehefa niresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty izy. Tokony ho nanao izany ve izy sa tsia? Tohano ny valinteninao.

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal