Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 20 octobre 2023

Vakio ao amin'ny boky Vavolombelon'ny Mahery: "llay iraka lehibe" tt. 25-32, sy "Mpikatsaka ny fahamarinana" tt . 117 -125 .

"Talohan'ny niakarany lony an-danitra, dia napetrak'i Krisly tamin'ny mpianany ny asa nanirahany azy. Nolazainy taminy fa ho mpanatanteraka ny didim-pananany izay namelany ny haren-tsarobidin'ny fiainana mandrakizay ka ho Iova ho an'izao tontolo izao izy ireo. Vavolombelon'ny fainako natao sorona ho an'izao tontolo izao ianareo, hoy izy taminy. Hitanareo ny asa nataoko ho an'ny Isiraely. Ary na tsy hanatona Ahy aza ny oloko mba hananany fiainana, na dia nataon'ny pisorona sy ny mpanapaka tamiko aza izay tiany natao, na dia nandà Ahy aza izy, dia mbola hisy ihany fotoana hafa mety hahazoany manaiky ny Zanak'Andriamanitra. Hitanareo fa izay rehetra manatona Ahy ka miaiky ny helony, dia raisiko malalaka. Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy. Ianareo mpianatra no hanankinako io hafatra io. Homena ny Jiosy sy ny Jentilisa izany, ho an'ny Isiraely aloha vao ho an'ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra. Hangonina amin'ny fiangonana iray izay rehetra mino." -VM, t. 27.

Mazava ilay lraka Lehibe: "Koa mandehana hianareo, dia ataor'ny mpianatra ny firenena rehetra" - Mat. 28:19. Noho izany, tsy isalasalana fa ny fandehanana any amin'ny hafa, indrindra any amin'ireo firenena hafa izany.

"Ny iraka momba ny fiantsoana no dinam-pitoriana lehibe eo amin'ny fanjakan'i Kristy. Natao hiasa min-kafanam-po ho an'ny fanahy ny mpianatra, ka hanolotra ny antson'ny famindram-po ho an'ny rehetra. Tsy tokony hiandry ny olona hanatona azy izy; tokony ho any amin'ny olona izy miaraka amin'ny hafatra nampitondraina azy." - VM, t. 27.

"Betsaka ny olona eto amin'izao tontolo izao misy antsika no akaikin'n'ny fanjakan'Andriamanitra mihoatra noho ny hieverantsika azy. Manana vatosoa sarobidy maro ny Tompo eto amin'ity izao tontolo izao maizin'ny fahotana ity, ary tarihiny ho amin'ireo ny mpitondra hafatra nalefany. Hatraiza hatraiza dia misy ireo hiandany amin'i Kristy. Betsaka no hankafy ny fahendren'Andriamanitra mihoatra noho ny tombontsoa ara-nofo, ka ho tonga mpitondra fahazavana mahatoky. (...) Resy lahatra izy fa fanatanterahana mivantana ny drafitra nataon'Andriamanitra ny nataon'i Petera, ary ny hevitra nibahana tao an-tsainy, fa azy samirery ny famonjena, dia mifanohitra tanteraka tamin'ny toetsain'ny filazantsara. Koa nannkalzaza an'Andriamanitra izay nanao hoe: 'Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana'. Toy izany no naharava ny hevitra nibahana tao am-po, nefa tsy nisy adihevitra; nialana ny fiheverana ho an'ny tena samirery ny famonjena, tarazo napetraky ny fomba aman-panao nandritra ny andro maro nifandimby, ary nisokatra ny lalana hiloriana ny filazantsara amin'ny jentilisa." - VM, tt. 124,125.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

  1. Ahoana no hamaritanao ny teny hoe "iraka" raha ampifandraizina amin'ny fiainanao manokana izany?
  2. Inona no azonao atao mba ho hita taratra eo amin'ny fiainanao isan'andro, eo amin'ny toetra sy ny fomba amam-panaonao, ny iraka ampanaovina anao? Ahoana no hahatonga anao hifantoka kokoa amin'ny iraka eo amin'ny asa aman-draharahanao andavanandro?
  3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fandinihantsika ny fontsika sy ny fikatsahantsika hery avy any ambony mba hialantsika amin'ny hefitra mibahana mialoa ao an-tsaintsika momba ireo izay tsy mitovy amintsika?

Ecole Sabbat Semaine

sam 24 oct 2026
Révélation et inspiration
dim 25 oct 2026
Révélation générale et révélation spéciale
dim 25 oct 2026
Révélation générale et révélation spéciale

Ecole Sabbat S. dernière

sam 17 oct 2026
Les prophètes du Nouveau Testament
dim 18 oct 2026
Jésus en tant que prophète
lun 19 oct 2026
Apôtres et prophètes
mar 20 oct 2026
Fonctions des prophètes du Nouveau Testament
mer 21 oct 2026
Prophétesses et jeunes collaborateurs pastoraux
jeu 22 oct 2026
Les faux prophètes dans le Nouveau Testament
ven 23 oct 2026
Garder Jésus et Sa Parole au centre
sam 24 oct 2026
Révélation et inspiration

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (56)
  • octobre 2026 (51)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal