Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

I Paoly tao Areopago

Date
Lundi 04 décembre 2023

Na aiza na aiza toerana misy azy dia handeha hitory ny Filazantsara i Paoly izay nahazo iraka avy amin'Andriamanitra. Izany indrindra no notadiaviny hatao tao Atena.

Vakio ny Asa. 17:18-21. Inona avy ireo fihetsika samihafa nasehon'ireo Jentilisa tao an-tsena nanoloana ny lahateny sy ny fanontaniana napetrak'i Paoly?

Mazava fa nanaitra ireo olona teo an- tsena i Paoly sy ny "andriamani-baovaony" (Asa. 17:18) ary dia nentin izy ireo tany Areopago izy, toerana teo amin'ilay tanana, izay nitsarana ireo raharaha momba ny lalàna sy ny fivavahana, na dia tsy hoe nisy tokony hiatrehan'i Paoly fitsarana aza. Toa ny mba hihainoana azy sy ny "fampianarany vaovao" (Asa. 17:19) fotsiny ihany no antony. Sarotra ny tsy hihaino olona mahay mandaha-teny, mafana fo sy marani-tsaina tahaka an'i Paoly, na dia foto-kevitra hafahafa sy tsy mahazatra loatra ireto olona ireto aza no narosony.

Milaza ny Asa. 17:21 fa "tsy nandany my androny tamin'ny zavatra hafa, afa- tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao" ny Atenianina. Melohin'i Lioka ho kamo ve izy ireo eto? Mety tsy ho izany. Toa soritany ho mpandinika sy mpiady hevitra matihanina aza izy ireto. Avy amin'ny Grika rahateo no nivoahan'ny olona toa an'i Socrate, Platon, ary Aristote, izay filozofa manana ny lazany na mandraka ankehitriny aza. Nandritra ny taonjato maro dia foiben'ny hevitra ara-tsaina sy ara-pilozófia no nandraisana an'i Atena. Mino ny fisian' Andriamanitra ihany ny sasany amin'ireo mpandinika ireo. tsy "athée" araka ny fahafantarantsika ny hevitr'izany ankehitriny (tsy mpivavaka); kanefa na izany aza dia maro amin'ireo foto-kevitra ara-pilozófia no hafa tanteraka amin'ny fampianarana kristianina. Ao amin'ny filozofian'ny Epicure na i Zénon, ohatra, dia tsy misy idiran'izany Mesia nitsangana tamin'ny maty izany.

Nanantena i Paoly fa hamplasan'ny Fanahy Masina ny fahalalany sy ny talentan'ny fiteny ananany, izay azony nandritra ny fiofanany niaraka tamin'i Gamaliela. Kanefa raha ny marina, ny fanabeazana voarain'i Paoly teny an- dalamben'i Atena no azon'ny Fanahy Masina nampiasaina kokoa. "Gaga ny hendry indrindra tamin'ny mpihaino azy teo anatrehan'ny fahaizany manamarina ny foto-keviny. Nasehony fa nahazatra azy ny zava-kantony, ny haisorany sy ny fivavahany"-VM, t. 208

Taorian'ny fanandramana niainan'l Paoly tao Atena niaraka tamin'ireo Jentilisa sy ireo filozofa dia nanoratra toy izao ho an'ny Korintianina izy: "Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana." 1 Kor. 2:2.

Inona ny lesona azontsika tsoahina amin'izany? Inona ankoatra an'i Kristy no tokony ho Ivon'ny hafatra torintsika, na amin'iza na iza isika no mitory?

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible
dim 19 avr 2026
L’arme la plus puissante
lun 20 avr 2026
L’Écriture, l’autorité
mar 21 avr 2026
La vérité biblique

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le
ven 17 avr 2026
Réflexion avancée
sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (55)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante
Propulsé par Drupal