Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny finoan'ireo namana

Date
Dimanche 19 novembre 2023

Tantara manan-danja iray ao amin'ny Filazantsara no mitantara ny nataon'ireo lehilahy vitsivitsy mba hitondrana olona iray mila fanampiana (izay azo antoka fa naman'izy ireo) ho eo amin'i Jesôsy. Hitantsika amin'izay nitranga teto ny mety ho asa mafy tsy maintsy tanterahina mba hahafahana miasa amin'ireo mila fanampiana.

Vakio ny Lio. 5:17-26 (jereo ihany koa ny Mat. 9:1-8; Mar. 2:3-12). Inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara mikasika ny iraka sy ny asa fanompoana io?

Nandray ny andraikiny amin'ny fiahiana ilay namany ireo lehilahy ireo raha nitondra azy hankeo amin'i Jesôsy. Miantso antsika Andriamanitra mba hanao. tahaka ireo naman'ity lehilahy ity: hitarika ireo mila fanampiana ho eo amin'i Jesosy Kristy. Mitaky finoana sy asa, faharetana ary fahavononana izany asa izany, ary raha ilaina aza dia takiny koa ny fanaovana zavatra tsy mahazatra. Nanatona an'i Jesosy ireo lehilahy ireo kanefa sendra sakana. Tsy afaka nitondra ilay sakaizany malemy nankeo amin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny fitaovana mahazatra izy ireo. Tsy nilavo lefona izy fa nitady fomba iray hafa mba hitondrana azy hankeo amin'i Jesosy Kristy. Tamin'ny fandatsahana ilay sakaizany teo amin'ny tafon-trano! Ambaran'i Lioka anefa fa nankasitrahan'i Jesôsy ny zavatra nataon'izy ireo (jereo ny Lio. 5:20).

Fanirian'i Jesosy ny hitondrantsika ireo namantsika tsy manan-kery ho eo Aminy. Ny Baiboly dia maneho an'i Jesosy ho llay Mpitsabo lehibe izay maniry fatratra ny hamela heloka sy hanasitrana ireo mijaly, na iza izy ireo na iza.

Mandrisika antsika mba hanampy ireo olona tsy manan-kery i Ellen G. White: "Aza miandry ny hilazana aminao ny adidinao. Sokafy ny masonao ka jereo ireo manodidina anao; aoka ianao hifandray amin'ireo tsy manan-kery, ireo ory sy mahantra. Aza mihirim-belona amin'izy ireo, ary aza odian-tsy hita izay ilainy. Iza no haneho ireo toetra voasoratra ao amin'ny bokin'i Jakoba, amin'ny fananana ny fivavahana tena izy, dia izay tsy voapentin'ny fitiavan- tena na ny fahalovana? Iza no maniry fatratra ny hanao izay azony atao rehetra mba handraisana anjara amin'ilay drafi- panavotana lehibe?" - TFC, b. 2, t. 29.

I Jesosy mihitsy no naneho ny ohatry ny fomba hanampiana ireo tsy manan-kery, ary miantso antsika Izy mba hanao toy izany koa. Voalohany, aoka isika ho naman'izy ireny; rehefa izay dia fantarintsika ny ilainy; ary farany, dia tarihintsika izy ireo ho eo amin'i Jesosy llay tokana afaka hanampy azy. Tahaka izany no nataon'ireo lehilahy ao amin'ity tantara ity, tokony hanao toy izany koa isika amin'ny toe-javatra rehetra atrehintsika. Ny fanampiana dia mitarika ny hafa ho eo amin'llay hany afaka mamonjy azy, dia i Jesosy.

Iza amin'ireo manodidina anao no mila fanampiana amin'izao fotoana izao? Inona no hataonao ho azy ireo?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (26)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal