Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fomba fiasan'i Jesôsy sy ny valinteniny

Date
Lundi 13 novembre 2023

Ambaran'ny Baiboly fa tonga haka fanahy an'i Jesosy ilay mpahay lalàna, fantatr'i Jesosy tsara ny tanjony. Fantatr' Andriamanitra tokoa ny faniriana lalina ao am-pontsika, mihoatra noho ny fahafantarantsika izany aza. Ary azo antoka fa tsy fantatsika izay ao am-pon'ireo manontany antsika sy ny antony manosika azy hanao izany, sa tsy izany?

Manontany antsika mikasika ny finoantsika indraindray ireo olona any amin'ny fiangonana hafa. Ireo namantsika Silamo ohatra dia mametra-panontaniana momba ny maha- Andriamanitra an'i Jesôsy, toy ny hoe: "aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa Andriamanitra i Jesôsy?" na koa hoe "nahoana ianareo no milaza fa iray ihany Andriamanitra kanefa ambaranareo fa misy Persona telo ao amin' Andriamanitra telo izay iray?" Mety hahatezitra ireny fanontaniana ireny kanefa mety ho vokatry ny fo tokoa no ilan'ireny olona ireny an'i Jesosy, ary maneho ny faniriana lalina na koa ny fahabangana ao anatiny izany. Tsy fantatsika izay ao am-ponizy ireny, ary tsy ilaintsika hofantarina izany fa ny tokony hataontsika dia ny hiasa amin'ny hafa araka izay azo atao indrindra, na inona na inona antony manosika azy ireo hametra- panontaniana.

Vakio ny Mat. 26:56; Asa. 17:11; 1 Kor. 15:3 ary ny 2 Tim. 3:16. Ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny valin-tenin'i Jesôsy tamin'llay mpahay lalana ao amin'ny Lio. 10:26?

Mila valinteny isika indraindray kanefa tsy manao ezaka mba hahita izany. Hoy i Jesôsy: "Inona no voasoratra ao amin'ny lalana? Manao ahoana no famakinao azy!"- Lio. 10:26. Nanondro lafiny iray amin'ny fianarana izay manan-danja tokoa i Jesôsy. Tsy ampy ny mihaino fotsiny izay ambaran'ny hafa amintsika fa tokony hamaky ny Soratra Masina (ny Tenin' Andriamanitra) ho an'ny tenantsika isika. Efa ao amin'ny Soratra Masina ny valinteny, ary miasa ao am-pontsika ny Fanahy Masina mba hahatakarantsika izay tokony hatao.

Nomen' Andriamanitra antsika ny Teniny. Ao amin'izany no ahitantsika ny fahamarinana rehetra izay ilaina hofantarina mikasika ny tokony ho fomba flainantsika, ny tokony hataontsika amin'ny hafa, ary ny fomba hahazoantsika "mandova ny fiainana mandrakizay". Manana ny anjara asany tokoa ny mpampianatra sy ny mpitandrina, kanefa tsy maintsy mankeo amin'ny Baiboly isika hahalalantsika ireo fahamarinana tena manan-danja. "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao."- Sal. 119:105. Tsy tononkalo fotsiny ihany io andalan-teny io fa fahamarinana masina koa, izay mampitodika antsika amin'ny Tenin' Andriamanitra sy ny maha-zava- dehibe izany ho an'ny mpino.

Nampiverina ny olona ho amin'ny Teny Voasoratra mandrakariva i Jesôsy, llay Tenin'Andriamanitra tonga nofo. Inona no tokony hambaran'izany momba ny lanjan'ny Baiboly sy ny antony tokony handavantsika ny fomba fisainana ara-pilozofia sy ara-teôlôjia izay mampihena ny fitokiantsika amin'ny Baiboly?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal