Aller au contenu principal
Accueil
Eglise Adventiste du 7ème jour Lyon Est

Navigation principale

  • Accueil
  • EDS Jour
  • EDS Semaine
  • EDS Semaine dernière
  • EDS Semaine prochaine
Menu du compte de l'utilisateur
  • Se connecter

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy amin'izao andro izao

Date
Jeudi 16 novembre 2023

Rehefa nanome ny valinteny marina ilay mpahay lalana dia izao no baiko nomen'i Jesôsy azy: "ataovy izany, dia ho velona hianao." Lio. 10:28, ary nahakasika ny aty fon'ilay lehilahy Izy tamin'izany. Mora ho an'ilay mpahay lalåna ny nanome ny valinteny marina rehetra, saingy sarotra ho azy ny nanatanteraka izany roa arivo taona lasa izay, ary mbola sarotra ho an'ny ankamaroantsika amin'izao andro izao koa. Te hamandrika an'i Jesôsy ilay mpahay lalàna, ary koa te hampiseho ny fahalalana nananany. Mbola nametraka fanontaniana indray izy hoe: "Iza àry no namako?" - and. 29.

Vakio ny Lio. 10:30-37. Ahoana no hamintinanao ny tian'i Jesôsy hambara ao amin'io tantara io?

Moa ve eo amin'ny manodidina antsika misy olona nanaovan'ny hafa fitondrana tsy ara-drariny? Efa nanao izay azo natao mba hanampiana azy ireny ve isika?

Marina tokoa fa tsy manampy ireo mila fanampiana ny pasitora sy ny loholona ary ny mambra indraindray. Misy fotoana, ny olona any amin'ny finoana hafa no tsara fanahy kokoa noho isika eo amin'ny fiarahamonina. Mety miresaka momba ny tokony hanehoana fahatsaram-panahy isika, saingy ny hafa no mety manome izay ilain'ireo olona tsy iresahantsika. Raha misy heviny ny finoantsika dia tsy maintsy manatratra ireo sahirana isika ary manampy azy ireo.

Namarana ny tantaran'ilay Samaritana tsara fanahy i Jesôsy ka nanontany hoe iza tamin'ireo olona telo no naman'ilay olona nila fanampiana.

"Voavaly araka ny marina izany ilay fanontaniana manao hoe: 'Iza no namako?" Nasehon'i Kristy fa ny namantsika dia tsy izay iray fiangonana na iray finoana amintsika ihany. Tsy mikasika firazanana na volon-koditra na saranga izany. Ny namantsika dia ny olona rehetra izay mila ny fanampiantsika. Ny namantsika dia ny fanahy rehetra izay noratraina sy nokapohin'ilay fahavalo. Ny namantsika dia izay rehetra fananan 'Andriamanitra." - IFM, t. 538.

Fanamby: Manomboha mivavaka isan'andro ho an'ny olona iray tsy mitovy aminao, na ho an'ny olona iray mety tsy dia tianao loatra.

Manaova fihaikana: Manaova lisitry ny olom-pantatrao 3 farafahakeliny (tsy Advantista); fantaro ny zavatra ilain'izy ireo (ara-pihetsehampo, ara-batana, ara- piarahamonina) ary eritrereto ny fomba hahafahanao miasa manokana amin'ireo zavatra ilainy ireo.

Inona no azonao atao ho azy ireo amin'io herinandro ho avy io?

EDS Semaine

sam 25 nov 2023
Fampidirana
dim 26 nov 2023
Nebokadnezara
lun 27 nov 2023
Namana
mar 28 nov 2023
Mijoro ho vavolombelona amin'ireo manam-pahaizana: Nikodemosy
mer 29 nov 2023
Misasa amin'ireo mpanankarena
jeu 30 nov 2023
Mamita ny iraka amin'ireo manana ny maha-izy azy
ven 01 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine prochaine

sam 02 déc 2023
Fampidirana
dim 03 déc 2023
Hebreo iray tao Atana
lun 04 déc 2023
I Paoly tao Areopago
mar 05 déc 2023
I Paoly sy ilay Andriamanitra tsy fantratra
mer 06 déc 2023
Mampahafantratra Andriamanitra vaovao
jeu 07 déc 2023
Mihoatra ny fetra
ven 08 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine dernière

sam 18 nov 2023
Fampidirana
dim 19 nov 2023
Ny finoan'ireo namana
lun 20 nov 2023
Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany
mar 21 nov 2023
Ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina
mer 22 nov 2023
Manampy ireo mijaly
jeu 23 nov 2023
Fitiavana lehibe kokoa
ven 24 nov 2023
Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (41)
  • novembre 2023 (40)
Flux RSS
Propulsé par Drupal