Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mampahafantratra Andriamanitra vaovao

Date
Mercredi 06 décembre 2023

Rehefa nahazo ny fahalianan'ireo mpandinika tao Atena i Paoly dia nampitodika ny mpihaino azy ho amin'llay Andriamanitry ny lanitra.

Vakio ny Asa. 17:24-27. Inona ny fomba fiasan'i Paoly eto mba hanatrarana ireo olona ireo?

Nampieritreritra ireto vahoaka liana tamin'ny zava-panahy ka nanorina alitara ho an'andriamanitra tsy fantatra ireto, ny tenin'i Paoly, dia ny amin'llay Andriamanitra. Mpahary Izay tsy mila na inona na inona. avy amin'olombelona fa manome izay ilain'izy ireo kosa. Ho an'ny kolontsaina izay vonton'ny lovantsofina grika, izay mampianatra fa Andriamanitra dia manan- toetra tsy ampoizina, tia tena, ary lozabe, dia 4. mampieritreritra sy mahavariana tokoa ny momba izany Andriamanitra lazain'i Paoly izany. Nanao ny dingana voalohany nankeo amin'llay Andriamanitra fitiavana izao ireo lehilahy tao Areopago.

Ary io Andriamanitra tsy fantatr'izy ireo io, hay azo fantarina ny momba Azy! Sady Izy rahateo koa maniry ny ho fantatr'izy ireo.

Azo inoana fa niresaka maharitra kokoa i Paoly tao Areopago, tsy araka izay teny notaterin'i Lioka ao amin'io tantara io. Mety ho noho ny tsy fahampian'ny toerana dia naleon'i Lioka namintina ny lahatenin'i Paoly. Raha izany no izy, ireo hevitra tsirairay izay efa novakintsika hatreto dia mety ho efa nofakafakain'i Paoly an tsipiriany. Koa hozarazaraintsika araka ireto hevitra ireto ny lahatenin'i Paoly:

  1. Nidera ny toe-tsaina ara-panahy sy Ony fahatsoram-po nananan'izy ireo tamin'io fotoana io i Paoly.
  2. Manaraka izany, nasehony fa efa nandinika ny finoan'izy ireo izy ary nahita avy tamin'izay nianarany, zavatra sasantsasany izay nomeny haja.
  3. Avy eo dia nolazainy azy ireo ny zavatra manokana izay hitany nandritra ny fandinihany ny fivavahan'izy ireo, izay neken'izy ireo fa tsy takany.
  4. Taorian'izany dia naneho lafin- toetran' Andriamanitra izay fantany fa tena ilain'izy ireo indrindra izy, dia ny hoe: misy Andriamanitra, ary Izy dia tia azy ireo sady tsy lavitra akory. 
  5. Farany, teo am-pamaranany ny lahateniny dia nampitandrina azy ireo i Paoly ny amin'ny vokatry ny fandavana ny fahalalana io Andriamanitra izay tsy mbola fantatr'izy ireo io. 

Nentin'i Paoly lavitra araka izay azony natao izy ireo, niainga tamin'izay zavatra fantany momba ny finoan'izy ireo. Raha vitany ny mitondra azy ireo lavitra toy izany dia efa fandrosoana tsara izany.

Mariho ny firesahan'l Paoly ny amin'ny tontolo nohariana sy momba an' Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy rehefa mandresy lahatra Izy (jereo koa ny Rom. 1:18-25).

Nahoana no fomba fiasa tsara tokony harahina izany, farafahakeliny eo am-plandohana, rehefa miasa amin'ny ankamaroan'ny olona? Fa inona no manondro mazava an'Andriamanitra ao amin'ny tontolo nohariana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible
dim 19 avr 2026
L’arme la plus puissante
lun 20 avr 2026
L’Écriture, l’autorité
mar 21 avr 2026
La vérité biblique

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le
ven 17 avr 2026
Réflexion avancée
sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal