Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-isiny 1: ny tahotra

Date
Dimanche 29 octobre 2023

Vokio ny Noh. l:l; Nah. 3:1-4; sy 2 Mpanj."'17:5,6; 2 Mpanj. 19:32-37. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba an'i Ninive sy ny fifandraisana nisy teo amin'i Asiria sy ny Israely? Ahoana no ho nifandraisan'izany tamin'ny fanapahan-kevitr'i Jônà ho any Tarsisy?

Anisan'ireo antony mety ho tsy nampahazoto an'i Jônà ho any Ninive ny tahotra. Fahavalo natanjaka tokoa ny Asirianina, ary i Ninive no renivohitry ny fanjakany. 

"Anisan'ireo tanàna lehibe indrindra hatramin'ny fahagola i Ninive, renivohitry ny fanjakan'i Asyria hatramin'ny andro fizarazaran'ny Isiraely. (...) Foiben-keloka sy faharatsiam-pitondrantena i Ninive tamin'ny fotoana nananany fandrosoana. Nilaza azy ho 'tanàna mpandatsa-dra, feno lainga sy fandroboana" ny tantara masina (Nah. 3:1). Tamin'ny teny an'ohatra no nampitahan'ny mpaminany Nahoma azy tamin'ny liona masiaka mamiravira. 'Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao?' hoy izy (Nah. 3 : 19 )." - MM, t. 223.

Fatratra ny hakanton'ny tanànan'i Ninive. Milaza ny mpahay tantara fa nitarin'i Sankeriba ho lehibe tokoa izany tanàna izany, ary tao no nanorenany ilay lapa goavana tany atsimo andrefana izay nirefy 503 metatra ny lavany ary 242 metatra ny sakany, 80 ny isan'ny efitrano tao amin'izany. Nanamboatra fantsona 18 ihany koa izy mba hiampitan'ny rano hatrao amin'ny tanàna, avy any amin'ny 65 kilaometatra miala eo. Na izany habeny izany fotsiny aza dia efa mety ho nampatahotra.

Saingy lozabe koa ny Asirianina. Ao amin'ny tantaran'ny namaboany an'i Babilôna, dia nirehareha fatratra i Sankeriba fa nahavita nameno ny lalan'izany tanàna izany tarnin'ny fatin'ireo mponina tao, na antitra na tanora. Ary tamin'ny fihadiana lavaka natao ho fikarohana ny zavanitranga marina dia nahitana sary sokitra mampiseho ireo miaramila mamantsika ny babony. Tsy haniry hifanehatra amin'ny olona toy izany ianao. Tsy nisalasala izy ireo nampiasa herisetra tsotra izao, sy naneho halozàna tamin'ireo izay tsy tiany. Inoana fa nihorohoron'ny tahotra i Jônà noho ny fieritreretana monja ny handeha eo anivon'ny vahoakan' i Ninive.

Eo anatrehan'izany rehetra izany anefa dia matetika isika no tsy faly eo am-pamakiana ny tantaran'i Jônà, rehefa mahita fa navelan'i Jônà hanakana azy tsy hanatanteraka ny baikon'Andriamanitra ny tahotra. Izao anefa no tsy fantatsika: mety hanao toy izany koa isika, izany hoe, ny tahotra no avelantsika hifehy antsika fa tsy Andriamanitra.

Saino ny fotoana iza nahatsapanao tsara fa misy zavatra asain'Andriamanitra ataonao. Kanefa nohon'ny tahotra dia tsy tianao loatra ny hanao izany. Inona ireo lesona noraisinao avy amin'izany fanandramana izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 19 Sep 2026
Grâce, amour et communion
dim 20 Sep 2026
La grâce de Jésus
lun 21 Sep 2026
L’amour de Dieu
mar 22 Sep 2026
Le Dieu d’amour
mer 23 Sep 2026
La communion du Saint-Esprit
jeu 24 Sep 2026
Notre Dieu en trois personnes

Ecole Sabbat S. dernière

sam 12 Sep 2026
Face aux faux docteurs
dim 13 Sep 2026
Une guerre spirituelle
lun 14 Sep 2026
Se glorifier dans le Seigneur
mar 15 Sep 2026
Les faux enseignants démasqués
mer 16 Sep 2026
Souffrances pour l’Évangile
jeu 17 Sep 2026
Appel aux non-repentants
ven 18 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 19 Sep 2026
Grâce, amour et communion

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal