Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-isiny 1: ny tahotra

Date
Dimanche 29 octobre 2023

Vokio ny Noh. l:l; Nah. 3:1-4; sy 2 Mpanj."'17:5,6; 2 Mpanj. 19:32-37. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba an'i Ninive sy ny fifandraisana nisy teo amin'i Asiria sy ny Israely? Ahoana no ho nifandraisan'izany tamin'ny fanapahan-kevitr'i Jônà ho any Tarsisy?

Anisan'ireo antony mety ho tsy nampahazoto an'i Jônà ho any Ninive ny tahotra. Fahavalo natanjaka tokoa ny Asirianina, ary i Ninive no renivohitry ny fanjakany. 

"Anisan'ireo tanàna lehibe indrindra hatramin'ny fahagola i Ninive, renivohitry ny fanjakan'i Asyria hatramin'ny andro fizarazaran'ny Isiraely. (...) Foiben-keloka sy faharatsiam-pitondrantena i Ninive tamin'ny fotoana nananany fandrosoana. Nilaza azy ho 'tanàna mpandatsa-dra, feno lainga sy fandroboana" ny tantara masina (Nah. 3:1). Tamin'ny teny an'ohatra no nampitahan'ny mpaminany Nahoma azy tamin'ny liona masiaka mamiravira. 'Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao?' hoy izy (Nah. 3 : 19 )." - MM, t. 223.

Fatratra ny hakanton'ny tanànan'i Ninive. Milaza ny mpahay tantara fa nitarin'i Sankeriba ho lehibe tokoa izany tanàna izany, ary tao no nanorenany ilay lapa goavana tany atsimo andrefana izay nirefy 503 metatra ny lavany ary 242 metatra ny sakany, 80 ny isan'ny efitrano tao amin'izany. Nanamboatra fantsona 18 ihany koa izy mba hiampitan'ny rano hatrao amin'ny tanàna, avy any amin'ny 65 kilaometatra miala eo. Na izany habeny izany fotsiny aza dia efa mety ho nampatahotra.

Saingy lozabe koa ny Asirianina. Ao amin'ny tantaran'ny namaboany an'i Babilôna, dia nirehareha fatratra i Sankeriba fa nahavita nameno ny lalan'izany tanàna izany tarnin'ny fatin'ireo mponina tao, na antitra na tanora. Ary tamin'ny fihadiana lavaka natao ho fikarohana ny zavanitranga marina dia nahitana sary sokitra mampiseho ireo miaramila mamantsika ny babony. Tsy haniry hifanehatra amin'ny olona toy izany ianao. Tsy nisalasala izy ireo nampiasa herisetra tsotra izao, sy naneho halozàna tamin'ireo izay tsy tiany. Inoana fa nihorohoron'ny tahotra i Jônà noho ny fieritreretana monja ny handeha eo anivon'ny vahoakan' i Ninive.

Eo anatrehan'izany rehetra izany anefa dia matetika isika no tsy faly eo am-pamakiana ny tantaran'i Jônà, rehefa mahita fa navelan'i Jônà hanakana azy tsy hanatanteraka ny baikon'Andriamanitra ny tahotra. Izao anefa no tsy fantatsika: mety hanao toy izany koa isika, izany hoe, ny tahotra no avelantsika hifehy antsika fa tsy Andriamanitra.

Saino ny fotoana iza nahatsapanao tsara fa misy zavatra asain'Andriamanitra ataonao. Kanefa nohon'ny tahotra dia tsy tianao loatra ny hanao izany. Inona ireo lesona noraisinao avy amin'izany fanandramana izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai
mar 16 Sep 2025
«Fais-moi voir ta gloire!»
mer 17 Sep 2025
L’auto-révélation de Dieu
jeu 18 Sep 2025
Le visage rayonnant de Moïse

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal