Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-tsiny 4: Toe-javatra sarotra atrehina

Date
Mercredi 01 novembre 2023

"Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mpamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny arnin'ny loza." - Jônà 4:2. Kanto re izany vavaka nataon'i Jônà izany! Sa ahoana ny hevitrao? 

Vokio Jônà 4. Inono ny olan'ity lehilay ity? 

Lalina ny fankahalana n'i Jônà ity vahoaka nasain'Andriamanitra nitoriany ity, hany ka naleony maty toy izay ho afa-baraka rehefa tsy ho tanteraka ilay fandringanana nampilazàina azy ho an'i Ninive. Tian'i Jona nahazo an'i Ninive koa ny nanjo an'i Sôdôma sy Gômôra. Nanantena izy fa hihatra tamin'ireto olona mahatsiravina ireto ny fitsarana Andriamanitra, ary nony tsy tanteraka izany dia voadona tanteraka ny sainy ka naleony ho faty toy izay hamela ny tontolony hikoro. 

Nananatra an'i Jônà fanindroany Andriamanitra ao amin'ity tantara ity tamin'ny alalan'ny toriteny na tenim-paritra eny amin'ny alalan'ny fanandramana. Tsy voavolavola more foana mantsy ny fomba fijery, ary tsy voaova koa  izany noho ny fandrenesana zava-baovao na hafa. Ireo fanandramana eo amin'ny fiainana matetika manova ny fomba fijery ary koa ny fomba fandraisana na lanazavana izany. 

Natao hanampiana an'i Jônà hahatsapa ny fahadisoan'ny fomba fijeriny ilay fanandramana vaovao nomen' Andriamanitra azy. Nampaniry hazo tao anatin'ny indray andro tamin'ny fomba mahagaga Andriamanitra, izay nihalehibe ka azon'i Jônà nialokalofana sy nihaino azy tamin'ny hainandro mahamay. Velom-pankasitrahana ery Jônà, tsy an'Andriamanitra izay nanao ilay fahagagana anefa, fa an'ilay zavamaniry. Tsy mba fahasoavana lehibe no nandraisany ilay fahagagana, fa fitahiana mendrika azy, izay mifanaraka amin'ny asa tsara. Nony maty ilay zavamaniry dia niteraka hatezeranasy tsy fitokian-tena tao anatin'i Jônà izany, ary nanjary nameno ny sainy indray ny faniriana hamono tena. 

Nanitsy an'i Jônà tamim-pahalemempanahy ny feon' Andriamanitra tao aorian'izany fanandramana izany, nanampy azy hahita ny fahadalany noho ny fanomezany lanja kôkoa ny zavamaniry mihoatra noho ny olona an'arivony, dia lehilahy sy zaza amam-behivavy maro, miaraka amin'ny biby fiompiny.

Tsy nifarana tamin'ny fibebahan'i Jônà ny tantara. Tantara mitohy izay mitodika amin-tsika kosa izany. Raha mihevitra ireo ratsy fanahy sy ny loza be ary ireo tsy misy miraharaha eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, inona no mba ataontsika eo anatrehan'izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église
dim 19 Juil 2026
Dissonance entre la foi et la pratique

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 Juil 2026
L’unité en Christ
dim 12 Juil 2026
Le problème des clans dans l’Église
lun 13 Juil 2026
Centrés sur Jésus
mar 14 Juil 2026
Sagesse et maturité
mer 15 Juil 2026
Un esprit de service à l’image du Christ
jeu 16 Juil 2026
Un style de vie qui reflète la croix
ven 17 Juil 2026
Réflexion avancée
sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal