Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-tsiny 4: Toe-javatra sarotra atrehina

Date
Mercredi 01 novembre 2023

"Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mpamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny arnin'ny loza." - Jônà 4:2. Kanto re izany vavaka nataon'i Jônà izany! Sa ahoana ny hevitrao? 

Vokio Jônà 4. Inono ny olan'ity lehilay ity? 

Lalina ny fankahalana n'i Jônà ity vahoaka nasain'Andriamanitra nitoriany ity, hany ka naleony maty toy izay ho afa-baraka rehefa tsy ho tanteraka ilay fandringanana nampilazàina azy ho an'i Ninive. Tian'i Jona nahazo an'i Ninive koa ny nanjo an'i Sôdôma sy Gômôra. Nanantena izy fa hihatra tamin'ireto olona mahatsiravina ireto ny fitsarana Andriamanitra, ary nony tsy tanteraka izany dia voadona tanteraka ny sainy ka naleony ho faty toy izay hamela ny tontolony hikoro. 

Nananatra an'i Jônà fanindroany Andriamanitra ao amin'ity tantara ity tamin'ny alalan'ny toriteny na tenim-paritra eny amin'ny alalan'ny fanandramana. Tsy voavolavola more foana mantsy ny fomba fijery, ary tsy voaova koa  izany noho ny fandrenesana zava-baovao na hafa. Ireo fanandramana eo amin'ny fiainana matetika manova ny fomba fijery ary koa ny fomba fandraisana na lanazavana izany. 

Natao hanampiana an'i Jônà hahatsapa ny fahadisoan'ny fomba fijeriny ilay fanandramana vaovao nomen' Andriamanitra azy. Nampaniry hazo tao anatin'ny indray andro tamin'ny fomba mahagaga Andriamanitra, izay nihalehibe ka azon'i Jônà nialokalofana sy nihaino azy tamin'ny hainandro mahamay. Velom-pankasitrahana ery Jônà, tsy an'Andriamanitra izay nanao ilay fahagagana anefa, fa an'ilay zavamaniry. Tsy mba fahasoavana lehibe no nandraisany ilay fahagagana, fa fitahiana mendrika azy, izay mifanaraka amin'ny asa tsara. Nony maty ilay zavamaniry dia niteraka hatezeranasy tsy fitokian-tena tao anatin'i Jônà izany, ary nanjary nameno ny sainy indray ny faniriana hamono tena. 

Nanitsy an'i Jônà tamim-pahalemempanahy ny feon' Andriamanitra tao aorian'izany fanandramana izany, nanampy azy hahita ny fahadalany noho ny fanomezany lanja kôkoa ny zavamaniry mihoatra noho ny olona an'arivony, dia lehilahy sy zaza amam-behivavy maro, miaraka amin'ny biby fiompiny.

Tsy nifarana tamin'ny fibebahan'i Jônà ny tantara. Tantara mitohy izay mitodika amin-tsika kosa izany. Raha mihevitra ireo ratsy fanahy sy ny loza be ary ireo tsy misy miraharaha eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, inona no mba ataontsika eo anatrehan'izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 oct 2025
Les mémoriaux de la grâce
dim 12 oct 2025
La traversée du Jourdain
lun 13 oct 2025
Le Dieu vivant des merveilles
mar 14 oct 2025
Souviens-toi

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 oct 2025
Surpris par la grâce
dim 05 oct 2025
Une seconde chance
lun 06 oct 2025
La valeur là oon l’attend le moins
mar 07 oct 2025
Une nouvelle allégeance
mer 08 oct 2025
Des valeurs conflictuelles
jeu 09 oct 2025
Une grâce surprenante
ven 10 oct 2025
Réflexion avancée
sam 11 oct 2025
Les mémoriaux de la grâce

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal