Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Finoana ety ambonin'ny tany

Date
Jeudi 14 décembre 2023

Ao amin'ny Lio. 18:8 dia nametraka ity fanontaniana ity i Jesôsy tany amin'ny faran'ny fanoharana iray nataony: "raha avy ny Zanak 'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?" Amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika ankehitriny dia ilaintsika ny mahatakatra izay tadiavin'i Jesosy. Hitantsika ao amin'io tantara io fa finoana mamirapiratra na dia ao anatin'ny haizina aza no tadiavin'i Jesôsy.

Vakio ny Mat. 8:10,13; Mat. 9:2; Mat. 20:29-34; Mar. 2:5; Mar. 10:46-52; sy ny Lio. 18:35-43. Ao amin'ireo andininy ireo, iza no lazain'i Jesôsy fa manam-pinoana?

Tafiditra ao anatin'io lisitra io ireo izay nanana finoana namirapiratra na dia tao amin'ny tanana feno haizina aza. Olona maro nanam-pinoana no nasongadin'i Jesôsy tao Kapernaomy. Hitantsika ao amin'ny Mat. 8:10,13 ny kapiteny jentilisa iray niova fo izay nanana finoana lehibe. Hitantsika ireo mpinamana efatra vontom- pinoana izay nanongotra ny tafon-trano mba hitondrany ny namany mararin'ny paralisisa ho eo amin'i Jesosy (Mat. 9:2; Mar. 2:5). Hitantsika ao amin'ny Mar. 10 i Bartimeo, ilay lehilahy jamba taloha, izay nanana finoana namirapiratra tao Jerikó,

Ary mety manantena isika fa manana finoana lehibe ny vahoakan' Andriamanitra. Saingy na tao Nazareta tanána nahaterahan'i Jesôsy aza dia nametra ny asa fanompoana nataon'i Kristy ny fahakelezan'ny finoana - mba tsy hilazana hoe ny tsy fisiam-pinoana tao. Raha teo anivon'ny mpianany i Jesosy dia imbetsaka no nilaza momba ny Isiraely hoe: "ry kely finoana!" (Mat. 6:30; Mat. 8:26; Mat. 14:31; Mat. 16:8). Ary izao no lazain'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 17:17: "Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika!"

Inty misy lesona iray azontsika ampiharina ankehitriny: any amin'ny toerana tsy ampoizina no ahitana finoana, any amin'ireo tanan-dehiben'ny hafa firenena, any amin'ny mpanompo sampy, any amin'ireo antokom-pivavahana hafa. Tsy maintsy mandeha amim-panetren-tena any amin'ireo tanan-dehibe tahaka an'i Jesosy isika mba hitady ireo izay hanam-pinoana mahavonjy rehefa torina aminy ny fahamarinana, dia finoana an'i Jesosy. Ary ho hitantsika ao tokoa izy ireo.

Fanamby: Ao anatin'ny fitolomana amim-bavaka dia sokafy ny fonao mba hanana finoana lehibe kokoa hahazoanao mizara fitiavana amin'ny hafa, na akaiky na lavitra anao.

Manaova fihaikana: Ahoana no nahafantaranao an'i Jesôsy sy ireo hafatra sarobidin'ny anjely telo? Mitanisà fitahiana telo ara-panahy izay azonao avy amin'i Jesôsy teo amin'ny fiainanao manokana. Miomána hizara izany fanandramana izany ao amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabata.

Ecole Sabbat Semaine

sam 08 Aoû 2026
Un portrait de l’amour
dim 09 Aoû 2026
L’indispensable de l’amour
lun 10 Aoû 2026
Ce que fait l’amour
mar 11 Aoû 2026
Ce que l’amour ne fait pas

Ecole Sabbat S. dernière

sam 01 Aoû 2026
Les dons spirituels
dim 02 Aoû 2026
La diversité des dons
lun 03 Aoû 2026
L’unité dans la diversité
mar 04 Aoû 2026
« Une voie par excellence »
mer 05 Aoû 2026
Le don des langues
jeu 06 Aoû 2026
Le don de prophétie
ven 07 Aoû 2026
Réflexion avancée
sam 08 Aoû 2026
Un portrait de l’amour

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (22)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal