Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

I Paoly sy ilay Andriamanitra tsy fantratra

Date
Mardi 05 décembre 2023

Mariho fa tsy nanivaiva ny fivavahan- diso na ny andriamani-tsy izin'ireo Atenianina i Paoly. Nangoniny ireo zavatra tsara hitany, na dia vitsy aza izany, ka nasongadiny.

Vakio ny Asa. 17:22,23. Inona no nataon'i Paoly teo am-piezahany nitory ny Filazantsara tamin'ireo olona ireo?

"Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrarea indrindra hianareo." Asa. 17:22. Nidera ireo Jentilisa i Paoly. Diso tamin'ny lafiny rehetra ny fivavahan'izy ireo, kanefa dia noderain'i Paoly ny fitiavam-bavaka nananan'izy ireo satria ny fitiavam-bavaka, na dia tsy araka ny tokony izy aza, dia mendrika kokoa noho ny tsy firaihana velively amin'ny zava- panahy.

Notohizan'i Paoly hoe: "nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo Asa. 17:23. Teo am-panazavany ny fandinihana nataony momba fivavahana atenianina dia naneho fihetsika feno fanajana ireo olona ireo i Paoly. Tsy niseho ho manam-pahaizana izay manana ny valiny rehetra mikasika ny fomba tsy maintsy hiovan'ny olona izy. Tena manam- pahaizana tokoa anefa izy raha ny marina, ary manana ny valiny ilain'ireo olona ireo! Saingy tsy naneho ny tenany araka izany izy, raha tsy izany dia ho nolavina avy hatrany. Hita ho olona mihevitra ny hafa maniry ny soa ho azy ireo kosa i Paoly.

Nanararaotra izay azo noheverina ho marimaritra iraisana i Paoly teo am- piresahany momba ilay soratra hoe "HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA" Asa. 17:23. Nino an'andriamanitra izy ireo (izay maro, raha ny marina), izay efa fanombohana tsara (tsy mpino mantsy ny olona sasany tamin'izany andro izany) afaka nanokatra lalana ho amin'ny fifanakalozan-kevitra lalindalina kokoa. Tsy naneso ny maha-ratsy ilay alitara natao ho an'andriamanitra tsy fantatra izy. Nankasitrahany sy noderainy aza ny fikelezan'ny olona aina ny amin'ny zavatra ara-panahy mba hanompoana zavatra izay tsy fantany akory, andrao mantsy misy andriamanitra hadinony.

Voafitaka ve izy ireo? Eny, saingy azo arenina izany. Ny zava-dehibe tany am- ny piandohana dia ny fanoloran-tenany araka ny fahatakarany azy. Niaiky i Paoly fa fitaovana azon'ny Fanahy Masina iasana tokoa izany. Nahita lohahevitra nanaitra ny fahalianan'izy ireo i Paoly, izay azony nifanakalozan-kevitra.

Inona avy ireo fitaovana sy fomba heverinao fa hanampy anao amin'ny fidirana lalina kokoa amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny hafa?

Ecole Sabbat Semaine

sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission
dim 06 Sep 2026
L’exemple de Jésus
lun 07 Sep 2026
La motivation
mar 08 Sep 2026
La planification
mer 09 Sep 2026
L’attitude
jeu 10 Sep 2026
L’unité
ven 11 Sep 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique
dim 30 Aoû 2026
Les fruits d’un ministère authentique
lun 31 Aoû 2026
Souffrance et gloire
mar 01 Sep 2026
Un ministère de réconciliation centré sur Christ
mer 02 Sep 2026
Appel à la sainteté
jeu 03 Sep 2026
Consolation et joie
ven 04 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (23)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal