Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mamonjy ny daholobe

Date
Lundi 11 décembre 2023

Na eo aza ireo olana ivelany sy anatiny dia miantso antsika amim-pitiavana i Jesôsy handray anjara amin'ny fanatanterahana ny asany any tanan-dehibe.

Vakio ny Mat. 9:35-38. Inona no ampianarin'izany antsika mikasika ny asa misionera amin'ny daholobe, na alza na aiza misy azy ireo?

Nangoraka ny vahoaka i Jesôsy raha nahita azy ireo teny an-tanána sy vohitra teny. Manoritsoritra ny nitomanian'i Jesosy an'i Jerosalema ny Lio. 19:41. Mety tsy ho takatsika ny halalin'ny fitiavan'i Jesôsy ny zanany, eny fa na ireo olona "tsy fantatra" maro monina any an-tanàn-dehibe aza. Izany no antony ilazan'i Jesôsy amintsika ao amin'ny Mat. 9:38 hivavaka mba ho tahaka ny Azy ny antony manosika antsika sy ny fontsika.

Vakio ny Mat. 4:23-25. Rehefa nanomboka ny asany i Jesosy dia faritra aiza ara-jeografia no niavian'ny vahoaka?

Ao amin'ny Mat. 4:25, ny vahoaka izay nanaraka an'i Jesosy dia avy tany Galilia, avy tamin'ireo tanana-fanjakana folon'i Dekapolisy miantsinanana, avy tany Jerosalema ary avy tany Jodia mianatsimo. Ankoatra an'i Samaria, faritra aiza koa no tsy voalaza eto? Ny faritra manamorona an'i Tyro sy Sidona izay ao anatin'i Fenisia, manakaiky ny ranomasina Mediteranea sy ny faritra avaratra-andrefan'i Galilia. Hitantsika izao ny antony nandehanan'i Jesôsy tany amin'io faritra io! Iray amin'ireo dia misionera any amin'ny kolontsaina hafa nataon'i Jesôsy io dia tany amin'ny faritr'i Tyro sy Sidona io.

"Rehefa avy nifanehatra tamin'ny Fariseo i Jesosy, dia niala tao Kapernaomy Izy ka namakivaky an'i Galilia ary nankany amin'ny havoana teo amin'ny sisin-tanin'i Foinika. Raha nitodika niankandrefana Izy dia nahita ireo tanana tranainin'i Tiro sy Sidôna, mivelatra eo amin'ny lohasaha eo ambany, misy ireo tempolin'ny fanompoan- tsampy, ireo lapa fatratra dia fatratra sy ireo tsena fivarotana, ary ireo seranana feno sambo miantsona."- IFM, t. 425.

Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona hahita fa tsinontsinona "ireo lapa fatratra dia fatratra sy ireo tsena fivarotana" ananany, fa mila an'i Jesôsy kosa izy Ireo?

Ecole Sabbat Semaine

sam 08 Aoû 2026
Un portrait de l’amour
dim 09 Aoû 2026
L’indispensable de l’amour
lun 10 Aoû 2026
Ce que fait l’amour
mar 11 Aoû 2026
Ce que l’amour ne fait pas

Ecole Sabbat S. dernière

sam 01 Aoû 2026
Les dons spirituels
dim 02 Aoû 2026
La diversité des dons
lun 03 Aoû 2026
L’unité dans la diversité
mar 04 Aoû 2026
« Une voie par excellence »
mer 05 Aoû 2026
Le don des langues
jeu 06 Aoû 2026
Le don de prophétie
ven 07 Aoû 2026
Réflexion avancée
sam 08 Aoû 2026
Un portrait de l’amour

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (22)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal