Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mihoatra ny fetra

Date
Jeudi 07 décembre 2023

Vakio ny Asa. 17:24-34. Ahoana no nanohizan'i Paoly ny fitoriany?

Mahaliana koa ny mahita fa mindrana teny avy amin'ireo mpanoratra sasantsasany teo amin'ireo olona ireo i Paoly, izay nanoratra hevitra manakaiky ny fahamarinan'ny Baiboly, ka nahitany fomba hahatonga azy ireo hihaino azy maharitra kokoa. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia nampiasain'i Paoly ny fahalalany momba ny finoan'izy ireo mba hahitany lafin-javatra itoviana hevitra aminy, hahafahany miroso lavidavitra kokoa. Tsy isalasalana fa amin'ny fiezahana hanatratra ny hafa, dia mety ho fomba fiasa mahery vaika ny fahafantarana tsara momba ny finoany sy ny fitadiavana foto-kevitra iraisana.

Mariho koa fa nampiasain'i Paoly io foto-kevitra iraisana amin'izy ireo io hirosoany amin'izay tiany hahatongavana, dia ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty sy ny fanantenana entin'izany ho an'ny rehetra. 17:34). Resahin'i Lioka ny amin'ny fihetsiky ny olona teo am-pihainoana ny teny farany nataon'i Paoly momba ny fitsanganana amin'ny maty. Nihomehy izany ny sasany, ny hafa indray nilaza fa maniry ny hihaino an'i Paoly amin'ny manaraka, ary nisy koa ireo nino. Ny zava-dehibe ao amin'io tantara io, izay tanjontsika, dia ity: nihaino tsara avokoa izy rehetra. Izany no nantenain'i Paoly hatramin'ny voalohany.

Fantatsika fa handà ny filazantsara ny olona sasany saingy mila manao izay rehetra azo atao isika hahazoana antoka fa mialoha ny handavan'izy ireo dia fantatr'izy ireo tsara izay laviny. Tamin'ny alalan'ny fomba fiasany tamin'ireo Atenianina sy ny tetikady nampiasany ny zavatra nianarany sy fantany momba azy ireo, dia nataon'i Paoly izay hahazoany antoka fa nandre tamin'ny saina misokatra izy ireo fa misy Andriamanitra izay tsy fantany kanefa nahary azy. Tia azy ireo io Andriamanitra io ary maniry ny ho fanatr'izy ireo. Namindra fo tamin'izy ireo Izy na dia teo aza ny tsy fahalalany. Tonga anefa ny Andro Fitsarana. Ary raha toa tsy mampino aza izany rehetra izany, dia porofo azo hamarinina ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. 

Ary satria efa nandre sy nahatakatra ny hafatra izao ny olona, dia tsy maintsy misafidy ho an'ny tenany izy ireo, na handà izany tsotra izao, na handalina kokoa ny momba izany. Dia nandalina izany sasany ka tonga mpanara-dia an'i Jesôsy.

Fanamby: Mivavaha mba hitarihan' Andriamanitra anao amin'ny fomba manokana, hahafantaranao ny fomba tsara indrindra hitoriana ny filazantsara amin'ny olona iray fantatrao.
Manaova fihaikana: Ampiasao ireo fitaovan-tserasera ho toy ny "Areopago" ho anao, hahazoanao mitory ny Filazantsara - amin'ny fomba mazava sy feno fitandremana -tahaka ny nataon'i Paoly tamin'ireo tsy mpino.

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église
dim 19 Juil 2026
Dissonance entre la foi et la pratique
lun 20 Juil 2026
Faire face aux scandales

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 Juil 2026
L’unité en Christ
dim 12 Juil 2026
Le problème des clans dans l’Église
lun 13 Juil 2026
Centrés sur Jésus
mar 14 Juil 2026
Sagesse et maturité
mer 15 Juil 2026
Un esprit de service à l’image du Christ
jeu 16 Juil 2026
Un style de vie qui reflète la croix
ven 17 Juil 2026
Réflexion avancée
sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal