Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mihoatra ny fetra

Date
Jeudi 07 décembre 2023

Vakio ny Asa. 17:24-34. Ahoana no nanohizan'i Paoly ny fitoriany?

Mahaliana koa ny mahita fa mindrana teny avy amin'ireo mpanoratra sasantsasany teo amin'ireo olona ireo i Paoly, izay nanoratra hevitra manakaiky ny fahamarinan'ny Baiboly, ka nahitany fomba hahatonga azy ireo hihaino azy maharitra kokoa. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia nampiasain'i Paoly ny fahalalany momba ny finoan'izy ireo mba hahitany lafin-javatra itoviana hevitra aminy, hahafahany miroso lavidavitra kokoa. Tsy isalasalana fa amin'ny fiezahana hanatratra ny hafa, dia mety ho fomba fiasa mahery vaika ny fahafantarana tsara momba ny finoany sy ny fitadiavana foto-kevitra iraisana.

Mariho koa fa nampiasain'i Paoly io foto-kevitra iraisana amin'izy ireo io hirosoany amin'izay tiany hahatongavana, dia ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty sy ny fanantenana entin'izany ho an'ny rehetra. 17:34). Resahin'i Lioka ny amin'ny fihetsiky ny olona teo am-pihainoana ny teny farany nataon'i Paoly momba ny fitsanganana amin'ny maty. Nihomehy izany ny sasany, ny hafa indray nilaza fa maniry ny hihaino an'i Paoly amin'ny manaraka, ary nisy koa ireo nino. Ny zava-dehibe ao amin'io tantara io, izay tanjontsika, dia ity: nihaino tsara avokoa izy rehetra. Izany no nantenain'i Paoly hatramin'ny voalohany.

Fantatsika fa handà ny filazantsara ny olona sasany saingy mila manao izay rehetra azo atao isika hahazoana antoka fa mialoha ny handavan'izy ireo dia fantatr'izy ireo tsara izay laviny. Tamin'ny alalan'ny fomba fiasany tamin'ireo Atenianina sy ny tetikady nampiasany ny zavatra nianarany sy fantany momba azy ireo, dia nataon'i Paoly izay hahazoany antoka fa nandre tamin'ny saina misokatra izy ireo fa misy Andriamanitra izay tsy fantany kanefa nahary azy. Tia azy ireo io Andriamanitra io ary maniry ny ho fanatr'izy ireo. Namindra fo tamin'izy ireo Izy na dia teo aza ny tsy fahalalany. Tonga anefa ny Andro Fitsarana. Ary raha toa tsy mampino aza izany rehetra izany, dia porofo azo hamarinina ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. 

Ary satria efa nandre sy nahatakatra ny hafatra izao ny olona, dia tsy maintsy misafidy ho an'ny tenany izy ireo, na handà izany tsotra izao, na handalina kokoa ny momba izany. Dia nandalina izany sasany ka tonga mpanara-dia an'i Jesôsy.

Fanamby: Mivavaha mba hitarihan' Andriamanitra anao amin'ny fomba manokana, hahafantaranao ny fomba tsara indrindra hitoriana ny filazantsara amin'ny olona iray fantatrao.
Manaova fihaikana: Ampiasao ireo fitaovan-tserasera ho toy ny "Areopago" ho anao, hahazoanao mitory ny Filazantsara - amin'ny fomba mazava sy feno fitandremana -tahaka ny nataon'i Paoly tamin'ireo tsy mpino.

Ecole Sabbat Semaine

sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice
dim 04 mai 2025
Des sacrifices vains?
lun 05 mai 2025
Le sang des taureaux et des boucs
mar 06 mai 2025
L’Agneau pascal
mer 07 mai 2025
Jésus au temple
jeu 08 mai 2025
Car Tu as créé toutes choses!
ven 09 mai 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 26 avr 2025
Les nations: 2e partie
dim 27 avr 2025
Le tout premier commandement
lun 28 avr 2025
Daniel 2
mar 29 avr 2025
Daniel 7
mer 30 avr 2025
Entre la terre et la mer
jeu 01 mai 2025
Prophétise encore
ven 02 mai 2025
Réflexion avancée
sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal