Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Namana

Date
Lundi 27 novembre 2023

 

Maty ho an'ny rehetra i Kristy, na inona na inona lasan'izy ireo, na harenany, na flaviany na koa toerana misy azy. Manatratra ireo tsy Kristianina manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra ary manantena ny hiainan'izy ireo araka ny fahazavana izay ananany (jereo ny VM, t. 361).

Vakio ny 2 Mpanj. 5:1-19. Inona no azontsika sintonina avy amin'io tantara io mikasika ny fomba fanatrarana olona ho an'Andriamanitra?

Fangatahana roa tsy mahazatra no nataon'i Namana, ao amin'ny 2 Mpanj. 5:17-19, taorian'ny nanasitranan' Andriamanitra azy tamin'ny habokana. Voalohany, nangataka tany zakan'ny ampondra roa avy tany Isiraely hoentiny ho any Syria izy mba hiankohofany amin'ilay Andriamanitra velona. Hoy izy: "nympanomponao tsy mba hanatitra fanatitra odorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah"- 2 Mpanj. 5:17. Faharoa, dia nangatahin'i Namana ny hahafahany miankohoka miaraka amin'ny mpanjakany, kanefa tsy hivavaka amin'ireo andriamanitry ny mpanjakany intsony izy.

Tonga mpino ilay hany Andriamanitra marina izao i Namana, saingy mbola notanany ihany ireo finoan'ny Jentilisa. Ny nitondrany tany avy any Isiraely dia naneho fa tsy takany tamin'ny fahafenoany ny momba ilay Andriamanitra Mpamorona. Nihevitra angamba izy fa nilainy ny nitondra izany satria araka ny fomba fijeriny dia voafaritry ny velaran-tany tahaka ireo andriamaniny teo aloha i Jehovah. Na koa naniry ny hanorina alitara avy tamin'ny tany avy any Isiraely angamba izy? Na noho ilay antony voalohany na ilay faharoa dia nifangaro tamin'ny finoany teo aloha ny finoany an' Andriamanitra. Maneho ny tontolon-kevitra misy ireo tsy Kristianina izay manatona an'i Kristy amin'izao fotoana izao ny tantaran'i Namána. Izao ny lesona iray tsoahina avy amin'ny tantaran'i Namana: mila fotoana ny flovan'ny fomba fijery.

Vao mainka mahagaga kokoa ny fangatahana faharoa nataon'i Namana. Nahoana moa izy no nangataka mba hiankohoka miaraka amin'ny mpanjakany ary nangataka famelan-keloka tamin'Andriamanitra avy eo? Ny valintenin'ilay mpaminany no nahafantarany fa namela azy tokoa Andriamanitra: Mandehana soa aman-tsara"- 2 Mpanj. 5:19. Amin'ny maha-olona nanana ny maha-izy azy an'i Namana tany Syria, dia nanana adidy izay nametraka fihaikana ho an'ny finoany vaovao izy. Zava-dehibe ho an'ireo mpino vaovao, indrindra ireo avy amin'ny finoana hafa, ny mahazo fanohanana sy tari-dalana raha toa izy eo am-piatrehana ireo fitakian'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina nisy azy tany amin'ny flainany lasa mialoha ny hahatongavany ao amin'ny finoana.

Tsarovy fa boka i Namana raha nandao ny firenena jentilisa nisy azy; lehilahy sitrana sy mpanara-dia Ilay Andriamanitra Mpamorona kosa izy nony niverina tany. Vao nanomboka ny diany izy, ary nila fotoana nitomboana.

Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara io momba ny tsy tokony hanerena loatra ny olona, indrindra ireo avy amin'ny kolontsaina na sehatra tsy Kristianina?

Ecole Sabbat Semaine

sam 09 mai 2026
La prière pratique
dim 10 mai 2026
Élie — la prière en temps de crise
lun 11 mai 2026
Quand les prières semblent sans réponse
mar 12 mai 2026
Jésus nous enseigne à prier
mer 13 mai 2026
Louange, confession, requêtes, actions de grâces
jeu 14 mai 2026
D’autres questions sur la prière

Ecole Sabbat S. dernière

sam 02 mai 2026
Guerriers de la prière
dim 03 mai 2026
Daniel, l’homme fidèle
lun 04 mai 2026
L’attitude de la prière
mar 05 mai 2026
Hénoc marcha et parla
mer 06 mai 2026
Moïse, un dirigeant qui craint Dieu
jeu 07 mai 2026
Moïse intercède pour une nation
ven 08 mai 2026
Réflexion avancée
sam 09 mai 2026
La prière pratique

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (55)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante
Propulsé par Drupal