Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fiangonana voalohany sy ny fahazarany

Date
Mercredi 18 octobre 2023

Vakio ny Asa. 8:1-4. Tao amin'ny fiantonana voalohany, inona no nahatonga ny fielezan'ireo mpino ka nialany tamin'ny toerana nahazatra sy nampiadana azy?

Tamin'io fotoana io dia mbola teo Jerosalema (teo amin'ny tanin'ny Jiosy sy teo anivon'ny vahoaka Jiosy) no nisy ny fiangonana voalohany ankapobeny. Rehefa tonga ny fanenjehana, niaraka tamin'ny fandraisan'i Paoly anjara mavitrika tao anatin'izany, dia niely hatrany Jodia sy Samaria ny fiangonana tao Jerosalema.

Voalazan'i Jesôsy mialoha hoe: "hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema sy erqn'i Jodia sy Samaria". Tanteraka io fanambarana io araka ny hita ao amin'ny Asa. 8:4: "Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. "

Na efa nanomboka niely ivelan'i Jerosalema aza ny fiangonana dia tany amin'ireo faritra nisy Jiosy na tany amin'ireo tanàna hafa nifanakaiky tamin'ny vahoaka Jiosy no nitoriany ny filazantsara. Hita ao amin'ny Asa. 11:19 fa niely hatrany Foinika.

(Libanona) sy Kyprosy ny fiangonana, kanefa hatreo dia tsy mbola nitory ny hafatra tamin'ny olon-kafa ankoatra ny Jiosy izy ireo. Tsy nihevitra ny Jentilisa ho tonga eo amin'ny Tompo ny mpianatr'i Jesôsy sy ny fiangonana voalohany, fa ny Jiosy ihany. Mbola tery tokoa ny fisainan'izy ireo momba ny iraka natao hotanterahin'ny fiangonana. 

I Petera, izay mpianatr'i Jesôsy isan'ny mpitarika ny fiangonana voalohany, dia tsy narisika hitondra ny hafatry ny filazantsara ho an'ny Jentilisa, na dia efa nanomboka izany aza i Paoly. Apôstôlin'ny voafora (izany hoe ny Jiosy) no nahafantarana an'i Petera, ary i Paoly kosa, apôstôlin'ny Jentilisa (Gal. 2:8). Tsy naniry ny ho hita niaraka tamin'ny Jentilisa akory aza i Petera tany am-boalohany (Gal. 2:11,12). Kanefa nesorin'Andriamanitra teo anin'izay nahazatra sy nampiadana ny sainy izy ary novany ny fony. Nanomboka nianatra ny tena votoatin'ny iraky ny filazantsara sy ny tanjon'ny nahafatesan'i Jesôsy ho an'izao tontolo izao izy.

Vakio ny Asa. 10:9-15, 28, 29. Inona nu hafatra nampitain'ny Tompo tamin'i Petera, ary ahoana no tsy maintsy ampiharantsika io foto-kevitra io eo amin'ny asa nanirahana antsika, amin'izao andro sy vanim-potoana misy antsika izao?

Ecole Sabbat Semaine

sam 01 nov 2025
L’ennemi intérieur
dim 02 nov 2025
La violation de l’alliance
lun 03 nov 2025
Le péché d’Acan
mar 04 nov 2025
Des choix fatidiques
mer 05 nov 2025
La porte de l’espoir
jeu 06 nov 2025
Témoin de la puissance de Dieu
ven 07 nov 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 25 oct 2025
Dieu combat pour vous
dim 26 oct 2025
L’iniquité des Cananéens
dim 26 oct 2025
L’iniquité des Cananéens
lun 27 oct 2025
Le Juge suprême
mar 28 oct 2025
Dépossession ou anéantissement?
mer 29 oct 2025
Le libre choix
jeu 30 oct 2025
Le Prince de la paix
ven 31 oct 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal