Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 15 décembre 2023

"Teo amin'ireo izay nataon'ny Jioxy hoe mpanompo sampy dia nisy olona izay nahatakatra bebe kokoa ireo faminaniana tao amin'ny maha-mpanafaka ny fahotana Azy. Niezaka my handinika ireo zava- miafin'ny fanompoam-pivavahana hebreo ireo mpanao «filozófia». Nefa nanakana ny fiparitahan'ny fahazavana ny fitompoan- teny fantatra nasehon'ny Jiosy."- IFM, t. 27.

"Namoizan'ny Tompo Jesosy, ilay Mpamonjy mahery, ny ainy ireo fanahy ireo. Azony atao ny mamoha azy ireo amin'ny tsy firaihany, ny manetsika ny fony, ny manalefaka izany, azony atao ny manambara amin'ny fanahin'izy ireo ny hakanto sy ny herin'ny fahamarinana. Andriamanitra ilay Tompon'ny asa, fa tsy olona voafetra; na izany aza dia miantso ny olona Izy ho mpanompo azony ampiasaina hampitana ny hazavana amin'ireo izay ao anatin'ny haizina. Manana vatosoa sarobidy Andriamanitra any amin'ny fiangonana rehetra, ary tsy anjarantsika ny manameloka faobe ny tontolo mitonona ho mpivavaka kanefa tsy araka ny fahamarinana fantatsika. Ny hitory ny fahamarinana amin'ny olon- drehetra, amim-panetren-tena sy amim- pitiavana, araka izay isehoany ao amin'i Jesosy kosa no anjarantsika. Aoka ho hitan'ny olona ny fitiavam-bavaka sy ny fanoloran-tenantsika, aoka izy ireo hibanjina ny toetrantsika tahaka ny an'i Kristy, dia ho voataonan'ny fahamarinana izy ireo. (...) Natao hanandratra an'i Jesosy, Ilay Mpanavotra izao tontolo izao isika; natao hanambara ny tenin'ny flainana isika." - RH, 17 Janoary 1893.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Inona avy no hitanao fa ilan'ny faritra misy anao fanamplana ankehitriny, izay mety azonao sy ny fiangonana misy anao hararaotina hanafrarana fanahy maro izay tsy mbola mahalala ny fahamarinana fantatsika?
  2. Diniho izay voalazan'i Ellen G. White etsy ambony momba ireo olona any amin'ny antokom-pivavahana hafa: "Manana vatosoa sarobidy Andriamanitra any amin'ny fiangonana rehetra, ary tsy anjarantsika ny manameloka faobe ny tontolo mitonona ho mpivavaka kanefa tsy araka ny fahamarinana fantatsika." Izany hoe, ahoana no ahafahantsika maneho amin'ny olona fa diso lalana izy Ireo kanefa tsy manivaiva azy?
  3. "Raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany valzy?"-Lio. 18:8. Inona no tian'i Jesôsy ambara amin'io fanontaniana io? Inona no maha-samy hafa ny finoana amin'ny zavatra inoana (na foto-pinoana)? Nahoana ny olona izay manana foto-pinoana marina araka ny tokony ho izy no mety tsy hanam-pinoana akory amin'ny fiverenan'i Kristy?

Ecole Sabbat Semaine

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés

Ecole Sabbat S. dernière

sam 14 Mar 2026
Vivre ensemble
lun 16 Mar 2026
Parents et enfants
mar 17 Mar 2026
Les relations au travail
mer 18 Mar 2026
Prier les uns pour les autres
jeu 19 Mar 2026
Marcher dans la sagesse
ven 20 Mar 2026
Réflexion avancée
sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (46)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal