Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

I Paoly sy ilay Andriamanitra tsy fantratra

Date
Mardi 05 décembre 2023

Mariho fa tsy nanivaiva ny fivavahan- diso na ny andriamani-tsy izin'ireo Atenianina i Paoly. Nangoniny ireo zavatra tsara hitany, na dia vitsy aza izany, ka nasongadiny.

Vakio ny Asa. 17:22,23. Inona no nataon'i Paoly teo am-piezahany nitory ny Filazantsara tamin'ireo olona ireo?

"Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrarea indrindra hianareo." Asa. 17:22. Nidera ireo Jentilisa i Paoly. Diso tamin'ny lafiny rehetra ny fivavahan'izy ireo, kanefa dia noderain'i Paoly ny fitiavam-bavaka nananan'izy ireo satria ny fitiavam-bavaka, na dia tsy araka ny tokony izy aza, dia mendrika kokoa noho ny tsy firaihana velively amin'ny zava- panahy.

Notohizan'i Paoly hoe: "nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo Asa. 17:23. Teo am-panazavany ny fandinihana nataony momba fivavahana atenianina dia naneho fihetsika feno fanajana ireo olona ireo i Paoly. Tsy niseho ho manam-pahaizana izay manana ny valiny rehetra mikasika ny fomba tsy maintsy hiovan'ny olona izy. Tena manam- pahaizana tokoa anefa izy raha ny marina, ary manana ny valiny ilain'ireo olona ireo! Saingy tsy naneho ny tenany araka izany izy, raha tsy izany dia ho nolavina avy hatrany. Hita ho olona mihevitra ny hafa maniry ny soa ho azy ireo kosa i Paoly.

Nanararaotra izay azo noheverina ho marimaritra iraisana i Paoly teo am- piresahany momba ilay soratra hoe "HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA" Asa. 17:23. Nino an'andriamanitra izy ireo (izay maro, raha ny marina), izay efa fanombohana tsara (tsy mpino mantsy ny olona sasany tamin'izany andro izany) afaka nanokatra lalana ho amin'ny fifanakalozan-kevitra lalindalina kokoa. Tsy naneso ny maha-ratsy ilay alitara natao ho an'andriamanitra tsy fantatra izy. Nankasitrahany sy noderainy aza ny fikelezan'ny olona aina ny amin'ny zavatra ara-panahy mba hanompoana zavatra izay tsy fantany akory, andrao mantsy misy andriamanitra hadinony.

Voafitaka ve izy ireo? Eny, saingy azo arenina izany. Ny zava-dehibe tany am- ny piandohana dia ny fanoloran-tenany araka ny fahatakarany azy. Niaiky i Paoly fa fitaovana azon'ny Fanahy Masina iasana tokoa izany. Nahita lohahevitra nanaitra ny fahalianan'izy ireo i Paoly, izay azony nifanakalozan-kevitra.

Inona avy ireo fitaovana sy fomba heverinao fa hanampy anao amin'ny fidirana lalina kokoa amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny hafa?

Ecole Sabbat Semaine

sam 20 déc 2025
Choisissez aujourd’hui!
dim 21 déc 2025
Vous y étiez!
lun 22 déc 2025
Avec intégrité et fidélité
mar 23 déc 2025
Libre de servir

Ecole Sabbat S. dernière

mar 16 déc 2025
Des limites claires
mer 17 déc 2025
La colère de l’Éternel
jeu 18 déc 2025
S’attacher à Dieu
sam 20 déc 2025
Choisissez aujourd’hui!

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (36)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal