Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Inty aho, iraho aho

Date
Jeudi 02 novembre 2023

Mahavariana tokoa ny tantaran'i Jônà. Ny namonjen'Andriamanitra ny Ninivita, na teo aza ny tsy fahatanterahan'ny asa fitoriana nataon'i Jônà, dia fampahatsiahivana mahery vaika fa ny anjarantsika dia ny ho fantsona ampiasain'Andriamanitra fotsiny ihany, fa izy irery no mahay mandresy lahatra sy manova ny fo. Mampahatsiahy izany fa mpitondra hafatra vonona sy manetry tena ihany, izay manaraka ny toromarika avy Aminy, no ilain' Andriamanitra.

Vakio ny lsa.6:1-8. Inona ny heviny dehibe ao amin'ireo andininy ireo?

Eto ny antso. Olona vonona hirotsaka an-tsitrapo no tadiavin'Andriamanitra. Natao hamaly izany antso izany amin'ny fitarihan'Andriamanitra isika, amin'ny fihainona ny feony, ary ny fifidianana hankatô izay rehetra lazainy amintsika. 

Mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra ny olona ny tantaran'i Jônà, dia olona izay monina any amin'ny toerana izay tsy hahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra na hihainoana ny feony. Onena ireo olona antapitrisany mameno ireo tanàn-dehibe ankehitriny koa Andriamanitra, izay feno trano avo-be ho solon'ny hazo sy ny voninkazo, ka tsy ahitana fitoniana firy sy mila tsy ifandrenesana noho ny tabataba, dia tahaka ny nangorahany an'i Ninive. Hoy Andriamanitra momba an'i Ninive: "olona (...) izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny "haviany" izy ireo (jereo Jônà 4:11). Mpitory vonona hitondra hafa-panantenana ho an'ireo izay trotaky ny firotorotoana sy ny haratsiam-piainana no ilain'Andriamanitra. 

Nandre feo i Isaia nanao hoe: "izay no handeha (...)? " Dia inona no havalinao? 

Fanamby: Soraty amin'ny taratasy fotsy na ao amin'ny kahie fandraisanao antom-bavaka ny anaran'ny olona 10 fantatrao fa tsy mpino. Andeha hantsointsika hoe "mpianatrao" izy ireo. Ataovy akaiky ho mora raisina izany lisitra izany, ka mivavaha isan'andro ho an'ireo mpianatrao 10 ireo. Mivavaha mba ho tonga naman'ireo olom-pantatrao ireo ianao. Mivavaha mba hahazoanao miditra lalina kokoa ka ho tonga sakaizan'izy ireo mahatoky. Eo ampifandraisanao ety kokoa amin'izy ireo dia aoka ianao hanara-maso sy hihaino tsara mba hahafantaranao izay tena ilain'izy ireo, izay mahory na mampijaly azy. Avy eo dia mivavaha mba hanampian'Andriamanitra azy ireo amin'izany lafim-piainana izany.

Manaova fihaikana: mifidiana tanàna iray akaiky anao sy iray koa any amin'ny faritra hafa eo amin'izao tontolo izao. Manomboha mivavaka ho an'ny mponina miaina sy miasa ao amin'ny tsirairay amin' ireo. Angataho Andriamanitra hampisy Advantista matanjaka ao, izay afaka hizara ny fahamarinana fantatsika - dia ny fahamarinana momba ny fiavian'i Jesôsy tsy ho ela.

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église
dim 19 Juil 2026
Dissonance entre la foi et la pratique
lun 20 Juil 2026
Faire face aux scandales
mar 21 Juil 2026
Protéger l’identité de l’Église

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 Juil 2026
L’unité en Christ
dim 12 Juil 2026
Le problème des clans dans l’Église
lun 13 Juil 2026
Centrés sur Jésus
mar 14 Juil 2026
Sagesse et maturité
mer 15 Juil 2026
Un esprit de service à l’image du Christ
jeu 16 Juil 2026
Un style de vie qui reflète la croix
ven 17 Juil 2026
Réflexion avancée
sam 18 Juil 2026
Le péché dans l’Église

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal