Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fanomezan-pahasoaan'ny fampiantranoam-bahiny

Date
Dimanche 22 octobre 2023

Vakio ny Gen. 18:1-15. Inona avy ireo toetra maneho havana mampiantrano vahiny hita teo amin'ny fihetsik'i Abrahama tamin'ireo vahininy? 

Nafana ny andro, ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama. Tsy mahazatra io fihetsika io. Tamin'izany andro izany, rehefa fotoam-pahavaratra, amin'ny mitataovovonana, dia mitady fialokalofana sy tso-drivotra mangatsiatsiaka ny olona rehetra. Saingy angamba niaritra ny hafanana teo i Abrahama mba hanampy raha sendra misy olona mandalo eo?

Teo no nahitany mpivahiny telo lahy. Toa efa fanaony mihitsy ny mikarakara sy mampiantrano vahiny. Noho izany dia nanao ny dingana voalohany hisian'ny fihaonana i Abrahama. Araka ny voasoratra dia nihazakazaka nitsena ireo mpivahiny avy teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama; izy no nanapa-kevitra hanatona azy ireo mialoha ny nanatonan'ireo azy.

 "Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo; dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga ai57 amin 'ny mpanomponareo hianareo." - Gen. 18:4,5. 

Fantar'i Abrahama ny asa nanirahana azy, dia ny hizara amin'ny rehetra ny fahalalana an'Andriamanitra eo anivon'ny tontolo tafalentika lalina tao anatin'ny fanompoan-tsampy isan-karazany.

 Ary "efa mihoatra ny arivo ny isan'ny fanahy ao anatin'ny tokantrano lehiben’ i Abrahama. Maro amin'izy ireo no loham-pianakaviana, ary tsy vitsy amin’izy ireo no mpanompo sampy vao niova fo. Raha fampianarana osaosa na tsy miorina tsara dia tsy ho nandaitra velively. (...) Koa dia nahatratra hatrany ivelan'ny tokantranony ny hery miasa mangina avy amin'i Abrahama. Na taiza na taiza no nanorenany ny lainy dia nanorenany alitara koa hanaovana fanatitra sy fanompoam-pivavahana. Rehefa nesorina ny lay dia nitoetra kosa ny alitara; ary maro ny Kananita mandalo, izay nahalala an’Andriamanitra noho ny oha-piainana nasehon'i Abrahama, no nijanona teo amin'izany alitara izany mba hanolotra fanatitra ho an 'i Jehôvah . " — FK, tt. 205,206.

 Hatrany am-boalohany dia takatr'ity lehilahy ity fa niantso azy hamita iraka Andriamanitra, ka ny fandehanany ho any amin'ilay Tany nampanantenaina dia tsy ho fialan-tsasatra tsy akory fa ho fitahiana ho an'ireo manodidina azy, ary ho an'izao tontolo izao koa amin'ny alalan'ny taranany. 

Inona ireo lesona avy amin'ny ohatra fampiantranoam-bahiny nasehon'i Abrahama, izay azonao ampiharina eo amin'ny fiainanao koa? 

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai
mar 16 Sep 2025
«Fais-moi voir ta gloire!»

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal