Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany

Date
Lundi 20 novembre 2023

Inona no ampianarin'ireto tantara ireto antsika mikasika ny asa fanompoana atao amin'ireo mila fanampiana?

Jao. 5:1-9

Mar. 1:23-28

Omen'i Ellen G. White ireo dingana dimy tamin'ny fomba fiasan'i Jesôsy mahakasika ny fiasana manokana amin'ireo mila fanampiana: "Ny fomba fiasan'i Kristy ihany no hanome fahombiazana marina hahatrarana ny vahoaka. Nifangaro tamin'ny olona ny Mpamonjy toy ny anankiray izay nitady ny hahasoa azy ireo. Nasehony azy ny fangoraham-po, nanompo teo amin'izay nilain 'ireo Izy, ka nahazo ny fitokisany. Rehefa izany dia nibaiko azy Izy hoe: 'Manaraha Ahy."- TMF, t. 87.

Voalohany, ilaintsika ny mifangaro amin'ireo mila fanampiana, manokana fotoana hifankazarana aminy ary mamantatra ny zavatra ilainy miaraka amin'ny fikasana ny hanao soa azy. Jereo izay nataon'i Jesosy tamin'ilay mararin'ny paralysisa teo amin'ny farihy. Teo anivon'ireo "marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila" i Jesosy (Jao. 5:3).

Faharoa, aoka isika haneho firaisam-po. Mety ho sarotra izany amin'ny toe-javatra sasany noho ny tsy fisian'ny fitokiana, ary koa satria misy ny olona mampiasa halemem-panahy mba hahazoany ny fitokian'ny hafa izay horatrainy aty aoriana. Na izany aza dia miantso antsika Andriamanitra mba haneho firaisam-po ka tsy hiandry na inona na inona ho takalon'izany. 

Ny dingana fahatelo dia ny fanompoana eo amin'izay ilain'izy ireo. Mahakasika zavatra mihoatra noho ny teny izany. Mitaky asa ny fanompoana eo amin'izay ilain'ny namana na ny vahiny iray. Niresaka tamin'ilay mararin'ny paralysisa i Jesosy, nanontaniany azy izay niriny, ary nanao. fahagagana ho azy Izy. Nifehy tanteraka ny toe-javatra kosa Izy ao amin'ny tantaran'ilay lehilahy azon'ny "fanahy maloto" ka nanao izay tsy azon'ity lehilahy tsy nanan-kery ity natao ho an'ny tenany.

Ny dingana fahefatra dia ny fahazoana ny fitokian'izy ireo. Rehefa miasa eo amin'ny olona isika, rehefa manampy azy, dia hianatra ny hitoky amintsika sy amin'izay ambarantsika izy ireo. Koa rehefa hiresaka aminy mikasika an'i Jesosy isika, dia hisokatra kokoa izy ka hihaino antsika. Tsy ny hanasitrana azy ara-batana ihany no tian'i Jesôsy hatao; fa tiany hanana flainana mandrakizay ao Aminy izy ireo (jereo ny Jao. 10:10).

Ny dingana farany dia ny fitarihana azy ireo ho eo amin'i Jesosy, fihetsika mitaky finoana avy aminao sy ilay olona ampianao izany.

Tsy afaka manao Ireo karazana fahagagana izay nataon'i Jesôsy isika, inona avy anefa ireo fomba ahafahantsika miasa eo amin'ireo izay mila fanampiana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal