Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Roahy izy!

Date
Mercredi 13 décembre 2023

Any amin'ireo faritra tsy mbola nitoriana: ny fahamarinana any amin'ny tanan-dehibe dia maro no maniry fatratra hanam-panantenana. Tamin'ny andron'i Kristy, inona no nanakana ny vahoakan'Andriamanitra tsy hitondra. fanantenana momba ny Mesia amin'ny tanána hafa toa an'i Tyro sy Sidona? Ny fanavakavahana firenena, ny avonavona, ary ny hevitra mibahana mialoha no nanajamba ny vahoakan'Andriamanitra ka tsy nahitany ireo izay teo akaikiny indrindra, dia olona nangetaheta ilay fanantenana efa voalazan'ny faminaniana mialoha momba ny flavian'i Kristy voalohany. Maro ny mponina any amin'ireo tanan-dehibe ankehitriny no irin'i Jesosy Kristy mba hizaran'ny vahoakany ilay "fanantenana mahafinaritra" ny amin'ny flaviany fanindroany (Tit. 2:13). Tsy nahoan'i Jesosy ny flaviana na ny firazanan'ny olona; tokony hanao tahaka Azy koa isika.

Vakio ny Asa. 10:9-16,28,34,35. Ahoana no hamintinanao ny lesona ampianarin'ny Fanahy Masina antsika eto?

Rahateo am-piandrasanany sakafo antoandro i Petera dia nomena fahitana teo an-tampon- trano mahakasika ny sakafo, dia lamba lehibe feno biby sy vorona tsy madio. Intelo no nilazana taminy tao anatin'io fahitana io mba hitsangana sy hihinana. Nampiasain' Andriamanitra izany fahitana izany hahatonga saína an'i Petera ny amin'ny avonavony ara-pivavahana sy ny fanavakavahany ny Jentilisa. Takatr'i Petera nony farany ilay fahamarinana: "Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan 'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany."- Asa. 10:34,35.

Raha izany no izy, andeha isika handinika ny tantarantsika ary handray lesona avy amin'i Tyro sy Sidona. Diniho indray i Jesôsy sy ny fifandraisany tamin'ilay renim- pianakaviana. Inona ireo lesona nianaran'ny mpianatra avy amin'io dia misiónera io, izay mifandraika amin'ny fahitan'i Petera? Ahoana no ahazoantsika mampihatra ireo lesona ireo eo amin'ny flainantsika ankehitriny sy mampifandray izany amin'ny antson'i Kristy amin'izao andro farany izao mba hiasa ho an'ny tanan-dehibe? Inona avy ireo hevitra mibahana mialoha manakana antsika tsy hahita ny filan'ny mponina an-tanan-dehibe fanampiana? Inona avy ireo toe-javatra ampandalovin' Andriamanitra amintsika any amin'ireo tanan-dehibe, izay azontsika hararaotina hampivelarana ny fahatakarantsika momba ny iraka, sy manoro antsika amim-pitiavana ny amin'ny tokony hialantsika amin'ny fanavakavahana isan- karazany sy ny avonavontsika ara- pivavahana?

Tamim-paharetana no nampianaran'i Jesosy ny mpianany izay tsy mbola nahatakatra tamin'ny fahafenoany fa ho an'ny taranak'olombelona manontolo ny drafi-pamonjen Andriamanitra, fa tsy ho an'ny firenena na foko na tanána iray ihany. Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina handresy ny toe-tsaina mpanavakavaka sy mpizaha tavan'olona ao amintsika mba hahatanterahantsika ny iraka ampanaovina antsika any amin'ny tanan-dehibe.

Vakio ny Gal. 2:11-13. Inona no tokony hotsoahintsika eto momba ny hasarotry ny fialana amin'ireo hevitra mibahana mialoha izay nalentika tao an-tsaintsika hatramin'ny fahazazana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission
dim 06 Sep 2026
L’exemple de Jésus
lun 07 Sep 2026
La motivation
mar 08 Sep 2026
La planification
mer 09 Sep 2026
L’attitude
jeu 10 Sep 2026
L’unité

Ecole Sabbat S. dernière

sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique
dim 30 Aoû 2026
Les fruits d’un ministère authentique
lun 31 Aoû 2026
Souffrance et gloire
mar 01 Sep 2026
Un ministère de réconciliation centré sur Christ
mer 02 Sep 2026
Appel à la sainteté
jeu 03 Sep 2026
Consolation et joie
ven 04 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (21)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal