Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mitia ny hafa tahaka ny tenantsika

Date
Mercredi 15 novembre 2023

Vakio ny Mat. 22:37-40. Manao ahoana ny tenin'i Jesôsy eto raha ampitahaina amin'izay navaliny an'ilay mpahay lalàna ao amin'ny Lio. 10:27, 28?

Araka ny Mat. 22:37-40, dia nambaran'i Jesosy mazava fa miankina amin'ireo didy roa ireo ny fanehoana ny tena finoana marina isan'andro. Ary ny Lio. 10:27, 28 dia maneho mazava fa raha manao ireo zavatra roa ireo ny olona iray dia handova ny fiainana mandrakizay izy.

"Tokony ho foto-kevitra enti-miasa my fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra iorenan'ny fanjakan 'Andriamanitra eto an- tany sy any an-danitra ary tsy maintsy ho fototry ny toetra amam-panahy kristianina. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hifahatra sy hitana azy hahafahatra. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hisetra ny fitsapana sy ny fakam-panahy."- HF, tt. 36, 37.

Vakio ny Gal. 5:14; Mika 6:6-8 ary ny 1 Jao. 4:20, 21. Ahoana no anamafisan'ireo toko sy andininy ireo ny zavatra nambaran'i Jesosy tamintsika?

Izao no nambaran'i Paoly: "Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao."- Gal. 5:14. Ho an'i Paoly, ny fomba itondrantsika ny hafa ihany no maneho taratra ny fitiavantsika an' Andriamanitra. Na dia nilaza aza izy fa "ny marina amin'ny finoana no ho velona"- Rom. 1:17, dia tsy zavatra miafina na koa tsy fantatry ny hafa sy tsy hitany ny flainana amin'ny finoana. Samy milaza mazava i Paoly sy i Mika ary i Jaona fa ny asa no maneho raha ao anatintsika marina ny finoana izay ambarantsika.

Ambaran'i Paoly amin-kery ao amin'ny 1 Kôr. 13 fa raha misy milaza ho manana fahalalana lehibe, na manao asa goavana na koa manana finoana lehibe, eny fa na dia mahafoy ny ainy aza kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga tahaka ny "varahina maneno sy kipantsona mikarantsana" izy (1 Kor. 13:1).

Jereo ny tenin'l Ellen G. White eo ambony. Mariho izay lazainy mikasika ny tsy hahafahan'ny olona mifahatra sy misetra fakam-panahy raha tsy amin'ny fitiavana irery ihany. Ahoana no anehoan'izany amintsika fa ny didy momba ny fitiavana dia tsy famonjena amin'ny alalan'ny asa tsy akory fa fanehoana ny finoantsika an'i Jesôsy?

Ecole Sabbat Semaine

sam 28 fév 2026
La plénitude en Christ
dim 01 Mar 2026
La sagesse et la connaissance de Dieu
lun 02 Mar 2026
Enraciné et grandissant en Christ
mar 03 Mar 2026
Cloué à la croix
mer 04 Mar 2026
L’ombre ou le corps?
jeu 05 Mar 2026
Les ordonnances des hommes

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 fév 2026
Réconciliation et espérance
dim 22 fév 2026
Réconciliés des mauvaises œuvres
lun 23 fév 2026
Si vous persévérez dans la foi
mar 24 fév 2026
Le plan éternel de Dieu
mer 25 fév 2026
Le mystère de Dieu révélé
jeu 26 fév 2026
La puissance de l’Évangile
ven 27 fév 2026
Réflexion avancée
sam 28 fév 2026
La plénitude en Christ

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal