Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mitia ny hafa tahaka ny tenantsika

Date
Mercredi 15 novembre 2023

Vakio ny Mat. 22:37-40. Manao ahoana ny tenin'i Jesôsy eto raha ampitahaina amin'izay navaliny an'ilay mpahay lalàna ao amin'ny Lio. 10:27, 28?

Araka ny Mat. 22:37-40, dia nambaran'i Jesosy mazava fa miankina amin'ireo didy roa ireo ny fanehoana ny tena finoana marina isan'andro. Ary ny Lio. 10:27, 28 dia maneho mazava fa raha manao ireo zavatra roa ireo ny olona iray dia handova ny fiainana mandrakizay izy.

"Tokony ho foto-kevitra enti-miasa my fitiavana. Ny fitiavana no foto-kevitra iorenan'ny fanjakan 'Andriamanitra eto an- tany sy any an-danitra ary tsy maintsy ho fototry ny toetra amam-panahy kristianina. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hifahatra sy hitana azy hahafahatra. lo ihany no hahatonga azy ho afaka hisetra ny fitsapana sy ny fakam-panahy."- HF, tt. 36, 37.

Vakio ny Gal. 5:14; Mika 6:6-8 ary ny 1 Jao. 4:20, 21. Ahoana no anamafisan'ireo toko sy andininy ireo ny zavatra nambaran'i Jesosy tamintsika?

Izao no nambaran'i Paoly: "Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao."- Gal. 5:14. Ho an'i Paoly, ny fomba itondrantsika ny hafa ihany no maneho taratra ny fitiavantsika an' Andriamanitra. Na dia nilaza aza izy fa "ny marina amin'ny finoana no ho velona"- Rom. 1:17, dia tsy zavatra miafina na koa tsy fantatry ny hafa sy tsy hitany ny flainana amin'ny finoana. Samy milaza mazava i Paoly sy i Mika ary i Jaona fa ny asa no maneho raha ao anatintsika marina ny finoana izay ambarantsika.

Ambaran'i Paoly amin-kery ao amin'ny 1 Kôr. 13 fa raha misy milaza ho manana fahalalana lehibe, na manao asa goavana na koa manana finoana lehibe, eny fa na dia mahafoy ny ainy aza kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga tahaka ny "varahina maneno sy kipantsona mikarantsana" izy (1 Kor. 13:1).

Jereo ny tenin'l Ellen G. White eo ambony. Mariho izay lazainy mikasika ny tsy hahafahan'ny olona mifahatra sy misetra fakam-panahy raha tsy amin'ny fitiavana irery ihany. Ahoana no anehoan'izany amintsika fa ny didy momba ny fitiavana dia tsy famonjena amin'ny alalan'ny asa tsy akory fa fanehoana ny finoantsika an'i Jesôsy?

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal