Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fampidirana

Date
Samedi 25 novembre 2023

Na dia nosoratana an-taonany maro lasa aza ny Baiboly, ilay Tenin' Andriamanitra, dia fanambarana ny fahamarinan' Andriamanitra ho an'ny tontolo misy antsika izany. Ary anisan'ireo fahamarinana ambarany ny momba ny toetry ny olombelona sy ny fitovian'ny olona rehetra ankapobeny: mpanota mila famonjena- na tamin'ny taonjato fahafito tany Jodia na amin'izao taonjato faha-21 izao any Brésil.

Voafaokan'izany koa ireo mpanankarena sy ireo olona manana ny maha-izy azy. Tsy samy hafa amin'ireo mpanankarena sy nanana ny maha-izy azy tamin'ny andron'ny Baiboly ireo mpanankarena sy manana ny maha- izy azy amin'ny taonjato môderina, indrindra amin'ny fikatsahany fatratra ny harena sy ny laza ary ny hery, izay matetika ataony amin'ny alalan'ny fampahoriana ny marefo (na tsy izany mandrakariva aza). Mahaliana an' Andriamanitra anefa ny famonjena ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy, tahaka ny faniriany hamonjy ireo malemy sy mahantra ihany koa. Manome ohatra mahaliana momba ireo manana ny maha-izy azy na mpanankarena (na izy roa mitambatra) tamin'ny andron'ny Baiboly ny Soratra Masina, ary koa manome ohatra ny amin'ny fomba nampiasan'Andriamanitra azy ireo ho tonga fitahiana ho an'ny firenen-drehetra: Abrahama, Isaka, Jöba, Sölömôna, ary Josefa, raha tsy hitanisa afa-tsy ohatra vitsivitsy isika.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny asa nataon'Andriamanitra teo amin'ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy. Andeha hiaraka aminay hijery ireo fomba nanatraran'Andriamanitra ny sasany tamin'ireo olona ireo sy ny fomba iantsoany sy anomanany ireo Advantista mitandrina ny andro fahafito mba ho vavolombelona eo amin'ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy amin'izao andro izao koa.

Ecole Sabbat Semaine

mer 01 Juil 2026
« Un peuple nombreux dans cette ville »
jeu 02 Juil 2026
Les lettres de Paul aux Corinthiens

Ecole Sabbat S. dernière

sam 20 juin 2026
Dans l’éternité
dim 21 juin 2026
Vivre aujourd’hui
lun 22 juin 2026
Enfin, face à face
mar 23 juin 2026
L’épouse
mer 24 juin 2026
Suivre l’Agneau
jeu 25 juin 2026
« Venez! »

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal