Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Hebreo iray tao Atana

Date
Dimanche 03 décembre 2023

Vakio ny Asa. 17:1-16. Ahoana no nahatongavan'l Paoly tao Atena ary nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana ny zavatra hitany tao?

Ny tananan'i Atena dia "feno sampy" (Asa. 17:16). Fantatr'i Paoly tsara ny tantaran'ireo mpiray firenena taminy sy ny fironan'ireo ho amin'ny fanompoan-tsampy (na omena fampitandremana mandrakariva aza), koa nampalahelo an'i Paoly ny nahita ireo sampy rehetra tao Atena koa. Tsy isalasalana fa ny fangorahany ireo Atenianina no nanesika an'i Paoly; ho faty noho ny helony mantsy ireo raha tsy mahafantatra ny amin'llay Andriamanitra marina.

Ankehitriny dia mbola feno sampy ihany ny tananantsika, na dia tsy miharihary toy izay hitan'i Paoly aza izany. Ary indrisy fa mpino maro no mahavita mandalo fotsiny ny tanána anankiray kanefa tsy miraika na kely akory aza amin'ny sampiny. I Paoly anefa dia nihaino tsara ny antson'ny Fanahy Masina ka namaly izany. Tsy niombon-kevitra tamin'ireo mpino sasany, izay tsy mbola nahatakatra fa natao ho an'izao tontolo izao ny Filazantsara, i Paoly. Fantany kosa fa tian'Andriamanitra hovonjena tahaka ny olona hafa rehetra koa ny Atenianina. Takany fa ny foto-kevitry ny iraka maneran-tany dia ny hitory ny Filazantsara amin'ireo izay tsy mbola nandre mihitsy ny fahamarinana, anisan'izany ireo Jentilisa mpanompo sampy mbamin'ireo filozofa izay nameno ny lalamben'i Atena.

Noho izany dia nankeny an-tsena izay nahitana ireo olona ireo i Paoly. Azontsika lazaina fa izy no nanorina ny Ivontoeram- pianarana momba ny iraka manerantany voalohany, ka ny tsena no toerana nianarany sy nanandramany ireo fomba fiasa hanatrarana ny fo sy ny sain'ireo Jentilisa ireo.

Fantatr'i Paoly fa tsy azony atao ny miasa amin'ireo Atenianina tahaka ny niasany tamin'ny Jiosy na tamin'ireo Jentilisa matahotra an' Andriamanitra aza. Tsy mbola nanomboka nahalala ny Andriamanitry ny Isiraely na ny asany teo anivon'ny firenen'i Isiraely akory aza ireo olona ireo. Na zava- dehibe toy inona aza izany foto-kevitra sy foto-pinoana izany ho an'ny Jiosy sy ireo Jentilisa matahotra an'Andriamanitra, dia tsy misy heviny kosa izany ho an'ireo olona hitan'i Paoly tao an-tsenan'i Atena. Koa fomba fiasa hafa tanteraka no nilaina.

Matetika isika ankehitriny no mikatsaka ny hanatratra ireo olona izay tsy mahafantatra velively ilay antsointsika hoe "lova avy amin'ny fivavahana jiosy sy kristianina". Noho izany, tahaka an'i Paoly, dia ilaintsika ny mampifanaraka ny fomba fiasantsika amin'izany. Ny fomba fiasa mety tsara ao Buenos Aires, ohatra, dia mety tsy hisy ilana azy any Bangkok.

Karazan-tsampy manao ahoana no tompoin'ny olona eo amin'ny fiarahamonina misy anao ary ahoana no ahafahanao manokatra ny mason'izy ireo hahita fa zava-poana avokoa ireny?

Ecole Sabbat Semaine

sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice
dim 04 mai 2025
Des sacrifices vains?
lun 05 mai 2025
Le sang des taureaux et des boucs
mar 06 mai 2025
L’Agneau pascal
mer 07 mai 2025
Jésus au temple
jeu 08 mai 2025
Car Tu as créé toutes choses!
ven 09 mai 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 26 avr 2025
Les nations: 2e partie
dim 27 avr 2025
Le tout premier commandement
lun 28 avr 2025
Daniel 2
mar 29 avr 2025
Daniel 7
mer 30 avr 2025
Entre la terre et la mer
jeu 01 mai 2025
Prophétise encore
ven 02 mai 2025
Réflexion avancée
sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal