Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mba handovana ny fiainana mandrakizay

Date
Mardi 14 novembre 2023

Vakio ny Lio. 10:27, 28. Inona ny valinteny nomen'llay mpahay lalàna momba ny fanontaniana izay izy ihany no nametraka azy?

Nametraka fanontaniana ilay mpahay lalàna, ary izy ihany no namaly izany: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra (...)" ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao."- Lio. 10:27.

Inona ny navalin'i Jesôsy azy? Hoy Izy: "Marina my navalinao"- and. 28. Notohizan'i Jesosy tamin'ny fandrisihana azy hanao aqsa mifandraika amin'izany ny teniny, ka hoy Izy hoe: "ataovy izany, dia ho velona hianao."- and. 28.

Tsy sarotra loatra ny fanomezana ny valinteny marina mikasika ny fampianarana sy ny finoana ho an'ny ankamaroan'ny mpino. Ny fampiharana ny zavatra fantany fa marina sy ny fanarahana ny zavatra inoany kosa no fihaikana ho azy. Olona marobe, izay mahalala zavatra maro ampy hahavonjy azy, no ho very noho ny tsy fankatoavany ny zavatra fantany. Izany no maha-zava-dehibe tokoa izao lohahevitra izao. Tsy ampy ny fahafantarana fotsiny ny momba ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana, fa tsy maintsy ampiharina izany!

Vakio ny Jak. 2:17-22. Ahoana no mampitovy ireo andalan-teny ireo amin'izay nambaran'i Jesosy tamin'llay mpahay lalàna?

Raha tia an'Andriamanitra isika dia hamaky ny Teniny, hivavaka, hitandrina ny didiny, ary hankato ny feony "amin'ny fontsika rehetra". Raha milaza ny olona iray fa tiany ny hafa, kanefa tsy mihevitra ny hafa izy ao am-piangonana, na koa minia tsy mahalala ny fahasahiranan'ny hafa nefa afaka manampy azy, moa mahasoa ve ny finoany? Fomba fiaina ny fivavahana kristianina fa tsy fitambarana finoana fotsiny.

"Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany inona moa no soa azo amin'izany?" - Jak. 2:15,16.

Hatraiza ny fiheveranao izay hahasoa ny hafa? Hatraiza ny fanarahanao ny tenin'i Paoly hoe: "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa."- Fil. 2:4. Ahoana no ahazoanao mianatra hihevitra ny hafa bebe kokoa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 17 jan 2026
L’unité par l’humilité
dim 18 jan 2026
Désunion à Philippes
lun 19 jan 2026
La source de l’unité
mar 20 jan 2026
Implant mental ou chirurgie de l’esprit?
mer 21 jan 2026
L’esprit du Christ
jeu 22 jan 2026
Le mystère de la piété
ven 23 jan 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 10 jan 2026
La vie et la mort
dim 11 jan 2026
Christ sera glorifié
lun 12 jan 2026
La mort est un gain
mar 13 jan 2026
Être confiant
mar 13 jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA -
mer 14 jan 2026
Tenir ferme dans l’unité
jeu 15 jan 2026
Unis et intrépides
ven 16 jan 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal