Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Tany Tiro sy Sidona

Date
Mardi 12 décembre 2023

Mino ireo mpandinika Baiboly dia fa ny Filazantsaran'i Matio dia nosoratana manokana ho an'ny vahoaka jiosy ary ny Marka dia nosoratana manokana ho an'ny vahoaka jentilisa. Ilaina ny hihazonana izany fanavahana izany an-tsaina rehefa mianatra ny Filazantsara isika.

Vakio ny Mat. 15:22-28 sy ny Mar. 7:24-30. Inona ny fahasamihafana hitanao eo amin'ny fomba fanehoana ilay vehivavy?

Mariho ny fomba nanoritsoritan'i Matio ilay renim-pianakaviana amin'ny fampiasana ny fireneny na ny flaviany: Kananita. I Marka dia notarihin'ny Fanahy Masina hampiasa fiteny hafa hanoritsoritana io vehivavy io ho "grika" na "jentilisa", avy eo dia nampiany hoe: "avy amin'ny firenena Syro-foinika" na "Syrianina avy any Fenisia" - io ihany no fotoana nampiasana izany teny izany ao amin'ny Baiboly.

Saino ny akon'izany tantara ao amin'ny Mat. 15 izany amin'ireo vahoaka jiosy sy ny fiainana nahazatra azy ary ny fomba fijeriny. Ny mpihaino an'i Matio dia hahita io reny io ho toy ny jentilisa natao tsinontsinona. Izany dia avy amin'ny fanandramana ara-tantara niainan'ny vahoaka jiosy niaraka tamin'ny Kananita, vahoaka mpanompo sampy, izay vato nahasolafaka ny firenen'izy ireo nandritra ny fotoana maharitra ny fomba fiaina sy ny fanao ratsiny. Na ireo mpianatr'i Kristy aza dia tsy nieritreritra velively fa mety hanana finoana io vehivavy io na mety ho tafiditra ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra!

Ao amin'ny Mar. 7, ny vahoaka jentilisa iresahan'i Marka dia mety haneho fihetsika hafa amin'ny an'ny Jiosy iresahan'i Matio. Tsy nanana fanandramana ratsy tahaka ny Jiosy tamin'ny Kananita ny Jentilisa. Iray sokajy amin'ny Jentilisa mihitsy aza io vehivavy teraka "grika, syro-fenisianina" io. Nanasitrana ny anankiray tamin'izy ireo i Jesôsy! Ho an'ny Jentilisa dia reny be fitiavana no nandraisana io vehivavy io, izay nitebiteby ny amin'ny zanany vavy, ary naniry ny hanasitranan'ny Tompo azy, na inona na inona foko sy firenena niaviany.

"Tsy namaly avy hatrany ny fangatahan'ilay vehivavy i Kristy Noraisiny tahaka ny ho nataon'ny Jiosy taminy ity solon-tenan'ny firazanan'olona nozimbazimbainy ity. Nataony izany mba ho tafalatsaka tao am-pon'ny mpianatra ny fomba mangatsiaka sady tsy antra izay nandraisan'ny Jiosy ny toy izany, araka izay nasehon'ny taratra tamin'ny fomba nandraisany an- dravehivavy, sy ny fomba feno fangorahana tiany hifandraisan 'izy niainan'ny ireo amin'ny fahoriana toy izao, araka izay nasehony mazava tamin'ny famaliany ny fangatahany nanaraka izany." IFM, t. 426

Vakio ny 1 Jao. 2:2. Inona no ambaran'io andininy lo amintsika momba ny maha-iray antsika eo anatrehan' Andriamanitra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 20 juin 2026
Dans l’éternité
dim 21 juin 2026
Vivre aujourd’hui
lun 22 juin 2026
Enfin, face à face
mar 23 juin 2026
L’épouse
mer 24 juin 2026
Suivre l’Agneau
jeu 25 juin 2026
« Venez! »

Ecole Sabbat S. dernière

sam 13 juin 2026
Le faire connaitre
dim 14 juin 2026
Ce qui déborde du cœur
lun 15 juin 2026
Sans contrainte mais avec puissance
mer 17 juin 2026
Un enfant égaré
jeu 18 juin 2026
Ramenez-les
ven 19 juin 2026
Réflexion avancée
sam 20 juin 2026
Dans l’éternité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (48)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal