Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ho tonga fitahiana ho an'izao tontolo izao

Date
Lundi 16 octobre 2023

Vakio Gen. 12:1-3. Ahoana no mahatonga ny toro-marika nomen'Andriamanitra an'i Abrama ho antso ho amin’ny iraka?

Nasain’Andriamanitra niala tamin’ny taniny sy ny havany i Abrama (izay niova ho Abrahama taty aoriana) mba ho any an-tany hafa. Tao anatin’ny drafitr’Andriamanitra tokoa ny nampiasa an’i Abrahama ho fitaovana hanatanterahany ny fikasany eto ambonin’ny tany. Dia nandeha i Abrahama, araka ny tenin’i Jehôvah. Raha manana drafitra ho anao Andriamanitra dia mety ho antso hialanao amin’ny fianakavianao sy ny iray firenena aminao izany, mba ho any amin’ny toerana izay sokafany ho anao hanompoanao azy, mba hahatonga anao ho fitahiana ho an’ny hafa.

Vakio ireto toko sy andininy ireto. Inona no ambaran’ny tsirairay avy amin’ireo momba ny faneken'Andriamanitra, ny teny fikasany ho antsika?

Gen. 3:15______________________

Gen. 17:19_____________________

Nom. 24:17_____________________

Isa. 9:6 ________________________

Dan. 9:24-27 ___________________

Mat. 1:21 _____________________

Hita mazava, araka ireo toko sy andininy ireo, fa teo an-dalam-panatanterahana ilay teny fikasana natao tao Edena Andriamanitra, dia ny hahatongavan’ny Olona iray hamaha ny olan’ny fahotana. Natao hipoitra avy amin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka (amin’ny alalan’i Saraha) io vahaolana io, dia i Jesôsy Kristy. Araka ny voambara ao amin’ny Heb. 11:9, Isaka sy Jakôba dia mpandova ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, izay mampanantena fitahiana.

Tsy fantatsika mazava hoe hatraiza ny fahatakaran’i Abrahama ny fomba hipoiran’Ilay Zanaky ny teny fikasana avy aminy, saingy nandroso tamim-pinoana hatrany izy. “Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin‘izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany." — Heb. 11:8.

Ohatra tsara ho antsika tokoa izany!

Andeha hatao hoe antsoin'Andriamanitra ianao handeha any amin’ny toerana “tsy fantatrao”; ahoana no ho fihetsikao? nahoana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai
mar 16 Sep 2025
«Fais-moi voir ta gloire!»

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal