Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny antso natao tamin'i abrahama

Date
Mardi 17 octobre 2023

Araka ny antson'Andriamanitra dia nidiha tao amin'ilay tany nasain' Andriamanitra nalehany i Abrahama. Vao tany am-piandohana anefa dia toa ratsy ny fandehan-javatra ho azy, Tonga tany amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra tokoa izy, saingy araka ny Baiboly, "ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay" - Gen. 12:6 - dia mpanompo sampy nalaza noho ny halozany sy ny herisetrany. Tsy mahagaga raha niseho tamin'i Abrahama Andriamanitra raha vantany vao tonga tao izy, ka nanao hoe: "Ny taranakao no homeko ity tany ity." - Gen. l2:7. Azo antoka fa nilain'i Abrahama izany fampaherezana izany.

Na izany aza dia mbola tsy tsara ihany ny toe-javatra niainany, farafahakeliny tamin'ny voalohany. 

Vokio ny Gen. l2:t0-13:1. Inona ny zova -nitranga taminy manaraka? Inona ny fahadisoana nataon'ity lehilahin'Andriamanitira ity ? 

Inoana fa mahakivy tokoa izanv hoe mandao ny tanin'ny tena izany, izay nahitana fiadanana sy fanambinana, mba handeha any amin'ny toerana izay "tsy fantatra" (Heb. 11:8). Ny mosary no nitsena azy voalohany! Mafy tokoa izany mosary izany hany ka voatery niala tamin'ilay toerana nasain'Andriamanitra nipetrahany izy ka nandeha tany an-toeran-kafa.

"Nandritra ny nitoerany tany Egipta, dia hita fa voan'ny fakam-panahy sy tratran' ny fahalemena mpahazo ny lombelona Abrahama. Nampiseho ny tsy fahampian'ny fahatokiany izy tamin'ny natahorany hilaza an'i Saray hoe vadiny; semban-drahona ny finoana sy ny herim-panahy hita teo amin'ny fiainany. (...) Izany tsy fahampiam-pinoana izany dia saika nampidi-doza an'i Saraha, fa rehefa nahare ny amin'ny hatsaran-tarehiny ny mpanjakan'i Egipta, dia nampaka azy, ary nikasa haka azy ho vadiny. Fa Andriamanitra namely ny ankohonan'i Farao ka niaro ny vadin'ilay patriarka." - PM, t. 110,111, (ed 2014).

Tsy misy milaza tsy akory fa mora ny asa misiônera, ary ny lainga sy ny fitaka nataon'i Abrahama dia mainka koa nanimba zavatra. Soa ihany fa feno faharetana Andriamanitra ka tsy nolaviny ilay mpanompony noho ny fahadisoany. Indrisy anefa fa tsy io ihany no fahadisoana vitany. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa na eo aza ny hadisoantsika, raha mifikitra amin'ny Tompo amim-pinoana sy fileferana isika, tahaka an'i Abrahama, dia tsy vitan'ny voavela ireo heloka amam-pahadisoantsika, fa mbola azon'ny Tompo ampiasaina koa isika hamita iraka.

Inona avy ny lesona azontsika tsoahina avy amin'io tantaran'i Abrahama tao Egipta io?

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai
mar 16 Sep 2025
«Fais-moi voir ta gloire!»

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (32)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal