Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fiangonana voalohany sy ny fahazarany

Date
Mercredi 18 octobre 2023

Vakio ny Asa. 8:1-4. Tao amin'ny fiantonana voalohany, inona no nahatonga ny fielezan'ireo mpino ka nialany tamin'ny toerana nahazatra sy nampiadana azy?

Tamin'io fotoana io dia mbola teo Jerosalema (teo amin'ny tanin'ny Jiosy sy teo anivon'ny vahoaka Jiosy) no nisy ny fiangonana voalohany ankapobeny. Rehefa tonga ny fanenjehana, niaraka tamin'ny fandraisan'i Paoly anjara mavitrika tao anatin'izany, dia niely hatrany Jodia sy Samaria ny fiangonana tao Jerosalema.

Voalazan'i Jesôsy mialoha hoe: "hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema sy erqn'i Jodia sy Samaria". Tanteraka io fanambarana io araka ny hita ao amin'ny Asa. 8:4: "Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. "

Na efa nanomboka niely ivelan'i Jerosalema aza ny fiangonana dia tany amin'ireo faritra nisy Jiosy na tany amin'ireo tanàna hafa nifanakaiky tamin'ny vahoaka Jiosy no nitoriany ny filazantsara. Hita ao amin'ny Asa. 11:19 fa niely hatrany Foinika.

(Libanona) sy Kyprosy ny fiangonana, kanefa hatreo dia tsy mbola nitory ny hafatra tamin'ny olon-kafa ankoatra ny Jiosy izy ireo. Tsy nihevitra ny Jentilisa ho tonga eo amin'ny Tompo ny mpianatr'i Jesôsy sy ny fiangonana voalohany, fa ny Jiosy ihany. Mbola tery tokoa ny fisainan'izy ireo momba ny iraka natao hotanterahin'ny fiangonana. 

I Petera, izay mpianatr'i Jesôsy isan'ny mpitarika ny fiangonana voalohany, dia tsy narisika hitondra ny hafatry ny filazantsara ho an'ny Jentilisa, na dia efa nanomboka izany aza i Paoly. Apôstôlin'ny voafora (izany hoe ny Jiosy) no nahafantarana an'i Petera, ary i Paoly kosa, apôstôlin'ny Jentilisa (Gal. 2:8). Tsy naniry ny ho hita niaraka tamin'ny Jentilisa akory aza i Petera tany am-boalohany (Gal. 2:11,12). Kanefa nesorin'Andriamanitra teo anin'izay nahazatra sy nampiadana ny sainy izy ary novany ny fony. Nanomboka nianatra ny tena votoatin'ny iraky ny filazantsara sy ny tanjon'ny nahafatesan'i Jesôsy ho an'izao tontolo izao izy.

Vakio ny Asa. 10:9-15, 28, 29. Inona nu hafatra nampitain'ny Tompo tamin'i Petera, ary ahoana no tsy maintsy ampiharantsika io foto-kevitra io eo amin'ny asa nanirahana antsika, amin'izao andro sy vanim-potoana misy antsika izao?

Ecole Sabbat Semaine

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés
mer 25 Mar 2026
Vivre dans ce monde sans en faire partie
jeu 26 Mar 2026
Un message pour Laodicée
ven 27 Mar 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (53)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal