Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny toe-tsaina vontom-bavaka nananan'i Abrahama

Date
Mardi 24 octobre 2023

Vakio ny Gen. 18:23-32 sy Jak. 5:16. Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny herin'ny vavaka fanelanelanana? 

Ny resaka nifanaovan'i Abrahama sy Andriamanitra dia ohatra sy fanehoana ny atao hoe vavaka fanelanelanana ao amin'io toko io dia i Abrahama no manao fanelanelanana ho an'ny mponin'i Sôdôma sy Gômôra eo anatrehan'Andriamanitra. Nitalaho sy nifona ho azy ireo izy; izany hoe naneho ara-tandindona an'i Jesôsy manao fanelanelanana ho antsika eo anatrehan'ny Ray ny fihetsiny. Tsy hahomby ny asa tanterahintsika ankehitriny raha tsy manao izany karazana vavaka izany isika.

 Nianatra nitia ireo mponina tao Sôdôma sy Gômôra ary ireo tanàna manodidina i Abrahama. Koa tamin'ny fo mahatoky sy marina ny vavaka nataony. Efa niady tamin'ireo mpanjaka nandresy sy nambabo ny mpanjakan'i Sôdôma sy Gômôra izy tany aloha. Rehefa naharesy tamin'izany i Abrahama dia nitsena azy niaraka tamin'i Melkizedeka i Bera, mpanjakan'i Sôdôma . Nangataka i Bera mba homena azy, body any an-tranony ny olona: "Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao." — Gen. 14:21. Izany dia maneho fa tia ny mponina tao aminy io mpanjaka io. Ary satria anisan'ny toetra lehibe nampiavaka an'i Abrahama ny fitiavana, dia tiany ireo mpanjakan'i Sôdôma sy Gômôra ireo, ary nivavaka ho an'ireo sy ny mponina tao aminy izy. "Ny nahatonga an 'i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very." — PM, t. 121. 

Naneho fanetren-tena sy fikirizana i Abrahama tao amin'ny vavaka nataony. Vantany vao nanaiky ny fangatahany voalohany Andriamanitra mba hamonjena ny tanàna raha misy olona 50 marina ao, dia notohizany ny fanelanelanana nataony. 

Tsy hahita fahombiazana ny asantsika raha tsy misy ny vavaka, dia ny vavaka fanelanelanana. Rehefa avy mihaona amin'ny olona iray isika, rehefa avy mitory teny na mampianatra Baiboly, dia tsy maintsy mivavaka ho an'ireo olona izay nifandraisantsika ireo. Mihaino tsara ireny vavaka ireny Andriamanitra ka mikasika ny fon'ireo olona nifandray tamintsika. Tsy ny teny lazaintsika na ny fahaizantsika mandaha-teny no handresy lahatra ny namantsika na ireo olo-pantatsika, fa ny Fanahy Masina. Izany no mahatonga antsika tsy maintsy mivavaka ho an'ny tsirairay isam-batan'olona isaky ny manao asa misionera. 

Vakio ny Rôm. 8:4 sy Heb. 7:25 . Inona no ambaran’ireo andininy ireo antsika momba izay ataon'i Jesôsy ho antsika ? Ary ahoana no hanampian’izany fahamarinana izany antsika hatakatra tsara kokoa ny anjara tanantsika amin’ny  maha mpanao  fanelanelanana antsika ho an’ny hafa .

Ecole Sabbat Semaine

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés
mer 25 Mar 2026
Vivre dans ce monde sans en faire partie
jeu 26 Mar 2026
Un message pour Laodicée
ven 27 Mar 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (53)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal