"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Ellen G. White, "The Laodicean Church", t. 125, ao amin'ny The Advent Review and Sabbath Herald, 30 Septambra 1873.
"Miaro ny vahoakany tsy hamerina indray ireo fahadisoana tamin'ny lasa ny Tompo. Efa nisy mandrakariva ireo mpampianatra sandoka izay nijoro tamin'ny foto-pampianarana diso sy ny fanao tsy masina. Niasa tamin'ny foto-kevitra diso izy ireo, izay nataony tamin'ny fomba tsara sy manintona kanjo mamitaka; niasa mafy izy ireo mba hamitahana na dia izay voafidy aza, raha azo atao."-ARSH, 7 Janoary 1904.
"Irin'ny Tompo raha hozahan-toetra ny hevitsika, mba hahitantsika fa ilaina indrindra ny mandinika lalina ny Tenin'Andriamanitra velona, mba hahafantarantsika raha tena mitoetra ao amin'ny finoana isika na tsia. Maro amin'ireo mitonona ho mino ny fahamarinana no mipetraka amim-piadanana sy mihevitra hoe: 'Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory."- CWE, t. 36.
"Mitoetra ao anatin'ny fahadisoan-kevitra ny olona na dia efa aseho azy mazava aza ny fahamarinana. Nefa tsy handeha ao amin'ny haizina sy ny fahajambana izy ireo, na hankamamy ny hevi-diso, raha toa ka manaiky hitondra ny fampianarany eo amin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy hamaky izany araka ny fampianarany mba hanamarinany ny heviny. Maro no manazava ny Soratra Masina araka ny heviny manokana ka mamery ny tenany sady mamitaka ny hafa amin'ny fandikana diso ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra. Amin'ny fo mietry no tokony handinihantsika ny Tenin'Andriamanitra. Aoka hailika izay mety ho fitiavan-tena rehetra sy ny faniriana te hiavaka. Aoka tsy hoheverina ho tsy mety diso ireo hevitra nofikirina sy nankamamiana hatry ny ela."- CWE, tt. 36, 37.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Vakio indray ny 2 Kor. 10:1-6. Inona ny paik’ady ampiasain'i Paoly hiatrehana ireo "ady" ara-panahy ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra? Ahoana no hampiharantsika izany eo amin'ny ady ara-panahy atrehintsika?
2. Ambaran'ny Baiboly fa mialoha ny hiavian'ny farany dia ho maro ireo mpampianatra sandoka hanao izay hialan'ny olona amin'ny fahamarinana. Inona no azon'ny fiangonanao atao mba tsy hahatonga ny mambra ho resy lahatr'ireo mpampianatra sandoka, izay mety ho ao anatin'ny fiangonana ihany aza? Nahoana izany no manan-danja indrindra ho an'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina ny fiangonana?
3. Nahoana i Paoly no nihevitra fa ilainy ny nirehareha ny amin'ireo fahoriana maro (2 Kor. 11:16-33). Ary inona ny hevitry ny hoe "mirehareha ny amin'i Jehôvah "?
4. Nahoana no zava-dehibe ny handinihan'ny mambran'ny fiangonana tena mba hahitany raha toa izy mitoetra ao amin'ny finoana na tsia (2 Kor. 13:5)? Inona ny fiovana haterak'izany?
"Koa dia finaritra aho amin 'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin 'ny fahaterena, amin 'ny fanenjehana, amin 'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako."- 2 Kôr. 12:10
Mofon’qina:
Tsy mampanantena ny fahafoanan' ny alahelo ny fivavahana kristianina. "Tsy maintsy ho amin 'ny fahoriana be no idirantsika amin 'ny fanjakan 'Andriamanitra."- Asa. 14:22. Ilaina ny finoana, finoana matanjaka sy matoky, izay mino fa tsy hisy fakam-panahy hahazo ny zanak'Andriamanitra afa-tsy izay zakany. Ny herin'io finoana io no hazavain'i Paoly ao amin'ny episitliny ho an'ny Hebreo. Tahaka izao no lazainy momba ireo izay matoky an'Andriamanitra ka tsy voahozongozona eo anatrehan'ny fanenjehana sy ny fahafatesana:
"Izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan 'ny afo, afaka tamin 'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa. Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijaliana ho faty, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra; ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa; notorahim-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr 'ondry sy hoditr 'osy; efa lao, ory, fadiranovana."- Heb. 11:33-37.
Eto amin'izao tontolo izao dia heverina ho tsy mendrika ny hiaina ireo mahery fon'ny finoana; fa any an-danitra kosa dia voasoratra ho zanak'Andriamanitra izy ireo, mendrika ny voninahitra ambony indrindra (Apôk. 3:4). Miandry azy ireo any amin'ny lapan'ny lanitra ny "voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay." "Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin 'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin 'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an 'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy."- Heb. 12:1, 2. "Fa ny fahorianay maivana, izay vetivèty foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay."- 2 Kôr. 4:17, 18.- RH, 7 Marsa 1912.