Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil
  2. Archive mensuelle

novembre 2023

Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany

Inona no ampianarin'ireto tantara ireto antsika mikasika ny asa fanompoana atao amin'ireo mila fanampiana?

Jao. 5:1-9

Mar. 1:23-28

Ny finoan'ireo namana

Tantara manan-danja iray ao amin'ny Filazantsara no mitantara ny nataon'ireo lehilahy vitsivitsy mba hitondrana olona iray mila fanampiana (izay azo antoka fa naman'izy ireo) ho eo amin'i Jesôsy. Hitantsika amin'izay nitranga teto ny mety ho asa mafy tsy maintsy tanterahina mba hahafahana miasa amin'ireo mila fanampiana.

Vakio ny Lio. 5:17-26 (jereo ihany koa ny Mat. 9:1-8; Mar. 2:3-12). Inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara mikasika ny iraka sy ny asa fanompoana io?

Fampidirana

Ahitana ohatra marobe momba ny fanampian' Andriamanitra ireo sahirana ao amin'ny Lio. 5:17-26. Misy fotoana ampiasan' Andriamanitra ny hafa mba hanampiana antsika, na koa ampiasany antsika mba hanampiana ny hafa. Mety ho sarotra izany asa izany kanefa valisoa lehibe no azo avy aminy. Maneho ny ohatry ny asa fanompoan'i Jesosy Kristy isika rehefa manampy ireo sahirana. Mora indraindray ny milaza hoe iza no mila fanampiana; amin'ny fotoana hafa anefa dia sarotra ny hahalalana izany.

Mamita iraka amin'ireo mila fanampiana

Fianarana fanampiny

Vakio ny toko 54, "Ny Samaritana tsara fanahy" ao amin'ny IFM.

Ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy amin'izao andro izao

Rehefa nanome ny valinteny marina ilay mpahay lalana dia izao no baiko nomen'i Jesôsy azy: "ataovy izany, dia ho velona hianao." Lio. 10:28, ary nahakasika ny aty fon'ilay lehilahy Izy tamin'izany. Mora ho an'ilay mpahay lalåna ny nanome ny valinteny marina rehetra, saingy sarotra ho azy ny nanatanteraka izany roa arivo taona lasa izay, ary mbola sarotra ho an'ny ankamaroantsika amin'izao andro izao koa. Te hamandrika an'i Jesôsy ilay mpahay lalàna, ary koa te hampiseho ny fahalalana nananany. Mbola nametraka fanontaniana indray izy hoe: "Iza àry no namako?" - and. 29.

Mitia ny hafa tahaka ny tenantsika

Vakio ny Mat. 22:37-40. Manao ahoana ny tenin'i Jesôsy eto raha ampitahaina amin'izay navaliny an'ilay mpahay lalàna ao amin'ny Lio. 10:27, 28?

Araka ny Mat. 22:37-40, dia nambaran'i Jesosy mazava fa miankina amin'ireo didy roa ireo ny fanehoana ny tena finoana marina isan'andro. Ary ny Lio. 10:27, 28 dia maneho mazava fa raha manao ireo zavatra roa ireo ny olona iray dia handova ny fiainana mandrakizay izy.

Mba handovana ny fiainana mandrakizay

Vakio ny Lio. 10:27, 28. Inona ny valinteny nomen'llay mpahay lalàna momba ny fanontaniana izay izy ihany no nametraka azy?

Nametraka fanontaniana ilay mpahay lalàna, ary izy ihany no namaly izany: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra (...)" ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao."- Lio. 10:27.

Inona ny navalin'i Jesôsy azy? Hoy Izy: "Marina my navalinao"- and. 28. Notohizan'i Jesosy tamin'ny fandrisihana azy hanao aqsa mifandraika amin'izany ny teniny, ka hoy Izy hoe: "ataovy izany, dia ho velona hianao."- and. 28.

Ny fomba fiasan'i Jesôsy sy ny valinteniny

Ambaran'ny Baiboly fa tonga haka fanahy an'i Jesosy ilay mpahay lalàna, fantatr'i Jesosy tsara ny tanjony. Fantatr' Andriamanitra tokoa ny faniriana lalina ao am-pontsika, mihoatra noho ny fahafantarantsika izany aza. Ary azo antoka fa tsy fantatsika izay ao am-pon'ireo manontany antsika sy ny antony manosika azy hanao izany, sa tsy izany?

Ny fanontaniana manan-danja indrindra

Iza isika? Nahoana isika no eto? Inona mitranga rehefa maty isika? Inona ny anjara miandry antsika? Ireo, amin'ny lafiny maro, no fanontaniana manan-danja indrindra apetraky ny voary mety maty, izay mahalala fa mety maty izy ireo (mety maty koa ny masaja na "huître" sy ny akoho saingy tsy fantany izany). Ary ao amin'ny filazantsaran'i Lioka dia misy olona manatona an'i Jesôsy mba hametraka ny fanontaniana manan-danja indrindra.

Vakio ny Lio. 10:25. Inona fanontaniana napetrak'ilay ny mpahay lalana, ary nahoana izy no nanontany izany?

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (30)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal