Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 20 octobre 2023

Vakio ao amin'ny boky Vavolombelon'ny Mahery: "llay iraka lehibe" tt. 25-32, sy "Mpikatsaka ny fahamarinana" tt . 117 -125 .

"Talohan'ny niakarany lony an-danitra, dia napetrak'i Krisly tamin'ny mpianany ny asa nanirahany azy. Nolazainy taminy fa ho mpanatanteraka ny didim-pananany izay namelany ny haren-tsarobidin'ny fiainana mandrakizay ka ho Iova ho an'izao tontolo izao izy ireo. Vavolombelon'ny fainako natao sorona ho an'izao tontolo izao ianareo, hoy izy taminy. Hitanareo ny asa nataoko ho an'ny Isiraely. Ary na tsy hanatona Ahy aza ny oloko mba hananany fiainana, na dia nataon'ny pisorona sy ny mpanapaka tamiko aza izay tiany natao, na dia nandà Ahy aza izy, dia mbola hisy ihany fotoana hafa mety hahazoany manaiky ny Zanak'Andriamanitra. Hitanareo fa izay rehetra manatona Ahy ka miaiky ny helony, dia raisiko malalaka. Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy. Ianareo mpianatra no hanankinako io hafatra io. Homena ny Jiosy sy ny Jentilisa izany, ho an'ny Isiraely aloha vao ho an'ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra. Hangonina amin'ny fiangonana iray izay rehetra mino." -VM, t. 27.

Mazava ilay lraka Lehibe: "Koa mandehana hianareo, dia ataor'ny mpianatra ny firenena rehetra" - Mat. 28:19. Noho izany, tsy isalasalana fa ny fandehanana any amin'ny hafa, indrindra any amin'ireo firenena hafa izany.

"Ny iraka momba ny fiantsoana no dinam-pitoriana lehibe eo amin'ny fanjakan'i Kristy. Natao hiasa min-kafanam-po ho an'ny fanahy ny mpianatra, ka hanolotra ny antson'ny famindram-po ho an'ny rehetra. Tsy tokony hiandry ny olona hanatona azy izy; tokony ho any amin'ny olona izy miaraka amin'ny hafatra nampitondraina azy." - VM, t. 27.

"Betsaka ny olona eto amin'izao tontolo izao misy antsika no akaikin'n'ny fanjakan'Andriamanitra mihoatra noho ny hieverantsika azy. Manana vatosoa sarobidy maro ny Tompo eto amin'ity izao tontolo izao maizin'ny fahotana ity, ary tarihiny ho amin'ireo ny mpitondra hafatra nalefany. Hatraiza hatraiza dia misy ireo hiandany amin'i Kristy. Betsaka no hankafy ny fahendren'Andriamanitra mihoatra noho ny tombontsoa ara-nofo, ka ho tonga mpitondra fahazavana mahatoky. (...) Resy lahatra izy fa fanatanterahana mivantana ny drafitra nataon'Andriamanitra ny nataon'i Petera, ary ny hevitra nibahana tao an-tsainy, fa azy samirery ny famonjena, dia mifanohitra tanteraka tamin'ny toetsain'ny filazantsara. Koa nannkalzaza an'Andriamanitra izay nanao hoe: 'Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana'. Toy izany no naharava ny hevitra nibahana tao am-po, nefa tsy nisy adihevitra; nialana ny fiheverana ho an'ny tena samirery ny famonjena, tarazo napetraky ny fomba aman-panao nandritra ny andro maro nifandimby, ary nisokatra ny lalana hiloriana ny filazantsara amin'ny jentilisa." - VM, tt. 124,125.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

  1. Ahoana no hamaritanao ny teny hoe "iraka" raha ampifandraizina amin'ny fiainanao manokana izany?
  2. Inona no azonao atao mba ho hita taratra eo amin'ny fiainanao isan'andro, eo amin'ny toetra sy ny fomba amam-panaonao, ny iraka ampanaovina anao? Ahoana no hahatonga anao hifantoka kokoa amin'ny iraka eo amin'ny asa aman-draharahanao andavanandro?
  3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fandinihantsika ny fontsika sy ny fikatsahantsika hery avy any ambony mba hialantsika amin'ny hefitra mibahana mialoa ao an-tsaintsika momba ireo izay tsy mitovy amintsika?

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible
dim 19 avr 2026
L’arme la plus puissante
lun 20 avr 2026
L’Écriture, l’autorité
mar 21 avr 2026
La vérité biblique
mer 22 avr 2026
Les affirmations de la Bible!
ven 24 avr 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le
ven 17 avr 2026
Réflexion avancée
sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal