Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Roahy izy!

Date
Mercredi 13 décembre 2023

Any amin'ireo faritra tsy mbola nitoriana: ny fahamarinana any amin'ny tanan-dehibe dia maro no maniry fatratra hanam-panantenana. Tamin'ny andron'i Kristy, inona no nanakana ny vahoakan'Andriamanitra tsy hitondra. fanantenana momba ny Mesia amin'ny tanána hafa toa an'i Tyro sy Sidona? Ny fanavakavahana firenena, ny avonavona, ary ny hevitra mibahana mialoha no nanajamba ny vahoakan'Andriamanitra ka tsy nahitany ireo izay teo akaikiny indrindra, dia olona nangetaheta ilay fanantenana efa voalazan'ny faminaniana mialoha momba ny flavian'i Kristy voalohany. Maro ny mponina any amin'ireo tanan-dehibe ankehitriny no irin'i Jesosy Kristy mba hizaran'ny vahoakany ilay "fanantenana mahafinaritra" ny amin'ny flaviany fanindroany (Tit. 2:13). Tsy nahoan'i Jesosy ny flaviana na ny firazanan'ny olona; tokony hanao tahaka Azy koa isika.

Vakio ny Asa. 10:9-16,28,34,35. Ahoana no hamintinanao ny lesona ampianarin'ny Fanahy Masina antsika eto?

Rahateo am-piandrasanany sakafo antoandro i Petera dia nomena fahitana teo an-tampon- trano mahakasika ny sakafo, dia lamba lehibe feno biby sy vorona tsy madio. Intelo no nilazana taminy tao anatin'io fahitana io mba hitsangana sy hihinana. Nampiasain' Andriamanitra izany fahitana izany hahatonga saína an'i Petera ny amin'ny avonavony ara-pivavahana sy ny fanavakavahany ny Jentilisa. Takatr'i Petera nony farany ilay fahamarinana: "Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan 'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany."- Asa. 10:34,35.

Raha izany no izy, andeha isika handinika ny tantarantsika ary handray lesona avy amin'i Tyro sy Sidona. Diniho indray i Jesôsy sy ny fifandraisany tamin'ilay renim- pianakaviana. Inona ireo lesona nianaran'ny mpianatra avy amin'io dia misiónera io, izay mifandraika amin'ny fahitan'i Petera? Ahoana no ahazoantsika mampihatra ireo lesona ireo eo amin'ny flainantsika ankehitriny sy mampifandray izany amin'ny antson'i Kristy amin'izao andro farany izao mba hiasa ho an'ny tanan-dehibe? Inona avy ireo hevitra mibahana mialoha manakana antsika tsy hahita ny filan'ny mponina an-tanan-dehibe fanampiana? Inona avy ireo toe-javatra ampandalovin' Andriamanitra amintsika any amin'ireo tanan-dehibe, izay azontsika hararaotina hampivelarana ny fahatakarantsika momba ny iraka, sy manoro antsika amim-pitiavana ny amin'ny tokony hialantsika amin'ny fanavakavahana isan- karazany sy ny avonavontsika ara- pivavahana?

Tamim-paharetana no nampianaran'i Jesosy ny mpianany izay tsy mbola nahatakatra tamin'ny fahafenoany fa ho an'ny taranak'olombelona manontolo ny drafi-pamonjen Andriamanitra, fa tsy ho an'ny firenena na foko na tanána iray ihany. Afaka manampy antsika ny Fanahy Masina handresy ny toe-tsaina mpanavakavaka sy mpizaha tavan'olona ao amintsika mba hahatanterahantsika ny iraka ampanaovina antsika any amin'ny tanan-dehibe.

Vakio ny Gal. 2:11-13. Inona no tokony hotsoahintsika eto momba ny hasarotry ny fialana amin'ireo hevitra mibahana mialoha izay nalentika tao an-tsaintsika hatramin'ny fahazazana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 16 Aoû 2025
L’alliance au Sinaï
dim 17 Aoû 2025
Au mont Sinaï
lun 18 Aoû 2025
La préparation pour le don
mar 19 Aoû 2025
Le don du décalogue

Ecole Sabbat S. dernière

sam 09 Aoû 2025
Le pain et l’eau de vie
dim 10 Aoû 2025
Les eaux amères
lun 11 Aoû 2025
Les cailles et la manne
mar 12 Aoû 2025
L’eau du rocher
mer 13 Aoû 2025
Jéthro
jeu 14 Aoû 2025
Le Pain et l’Eau de Vie
ven 15 Aoû 2025
Réflexion avancée
sam 16 Aoû 2025
L’alliance au Sinaï

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal