Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mamita hiraka any amin'ny faritra hafa

Date
Dimanche 10 décembre 2023

Araka ny hitantsika ao amin'ny Baiboly dia nitondra ireo mpianany avy any Genesareta (Mat. 14:34) i Jesôsy "ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona" Mat. 15:21. Nahoana no nentiny avy any Galilia ho any amin'ny toerana jentilisa izy ireo? Nentiny ho ao amin'io saha io izy ireo, dia teo amin'ny toerana manamorona ireo faritra vahiny ireo, mba hahafahan'izy ireo mianatra eny an- toerana, izay tsy azon'izy ireo nianarana mora foana tany Galilia. Te hampita lesona amin'ire mpianany Izy, izay hanampy azy ireo ho vonona ho amin'ny fiantsoana azy hanatratra my vondron'olona rehetra, anisan'izany ireo mponina an-tanàn-dehibe.

Vakio ny Mpits. 3:1-6, 1 Mpanj. 5:1-12, sy ny 1 Mpanj. 11:1-6. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahazo an-tsaina ny tantaran'ireo tanana ireo?

Hitantsika ao amin'ny Mpits. 3:1-6 fa nampiasain' Andriamanitra ireo vahoaka taloha ireo hizahan-toetra ny finoan'ny Isiraelita. Mampalahelo fa tsy nahomby tamin'izany fizahan-toetra izany koa ny vahoakan' Andriamanitra, farafahakeliny tamin'ity tranga manokana ity: "Ary naka ny zanakavavin 'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanani-vavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny." - Mpits. 3:6. Araka izany, hatrany am-piandohana dia vato mahasolafaka ho an'ny Isiraely io vahoaka io.

Ao amin'ny 1 Mpanj. 5:1-11 no ahitantsika ny fifandraisana ety teo amin'ny Sidonianina sy ny Hebreo. Na dia nahazoan'ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa aza ny fifamatorana ara- toe-karena tamin'ny lafiny iray, dia tsy isalasalana fa nisy voka-dratsy teo amin'ny Hebreo ny fanompoan-tsampy isan-karazan'ireto mpiara-miombona antoka taminy ara-barotra ireto. 

Hita ao amin'ny 1 Mpanj. 11:1-6 ny maha- ratsy ilay hery miasa mangina avy tamin'ireo: nanambady ny zanaky ny mpanjaka sidonianina i Sôlômôna mpanjaka, izay nitarika azy ho amin'ny lalan-diso. "Fa Solomona nanaraka an 'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana." - 1 Mpanj. 11:5.

Na teo aza izany tantaran'ny fanompoan-tsampy izany sy ny voka-dratsiny teo amin'ny firenena voafidy dia nentin'i Jesôsy ho eo amin'izany toerana izany ihany ny mpianany. Tamin'izany no nanofanany azy ireo ho amin'ny iraka an-tanan-dehibe misy kolontsaina maro, ka nananarany azy ny amin'ny fitsaratsarany sy ny fizahany tavan'olona ary nanomezany ny mpanara-dia azy modely ny amin'ny asa misionera an-tanàn-dehibe, amin'ny kolontsaina rehetra sy ny firenena rehetra.

Miatrika zava-tsarotra maro ireo misionera advantista an-tanan-dehibe, anisan'izany ny olana ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainana. Azo tanisaina koa ny halafon'ny vidim- piainana, ny fanavakavahana amin'ny endriny isan-karazany, ny fanindrahindram-pirenena, ary ireo faneriterena eo amin'ny fahafahana ara-pivavahana sy ny fahafahana maneho hevitra. Na eo aza ireo sakantsakana ireo dia mila miasa ho an'ny tanan-dehibe isika.

Inona no azonao atao hanampiana ireo olona manao asa fanompoana any an-tanàn-dehibe?

Ecole Sabbat Semaine

sam 31 jan 2026
La foi en Christ seul
dim 01 fév 2026
Se réjouir dans le Seigneur
lun 02 fév 2026
La vie antérieure de Paul
mar 03 fév 2026
Les choses qui comptent
mer 04 fév 2026
La foi du Christ
jeu 05 fév 2026
Une seule chose: connaitre le Christ
ven 06 fév 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 24 jan 2026
Briller comme des flambeaux dans la nuit
dim 25 jan 2026
Nous coopérons à l’œuvre de Dieu
lun 26 jan 2026
Une lumière dans un monde obscur
mar 27 jan 2026
Un sacrifice vivant
mer 28 jan 2026
Le caractère éprouvé
ven 30 jan 2026
Réflexion avancée
sam 31 jan 2026
La foi en Christ seul

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (12)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal