Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny asa nanirahana an'i Abrahama

Date
Mercredi 25 octobre 2023

Vakio ny Gen. 19:1-29. Inona ny vokatry ny toe-tsaina mandray vahiny sy be fitiavana nasehon'i Abrahama ary ny vavaka nataony?

Misy fanamarihana mahaliana hita ao amin' io lahatsoratra io momba ny toerana nisy an' i Lota tao amin'ny tananan'i Sodoma: "Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma" — Gen. 19:1. Maneho izany fa nitana toerana ambony tao amin' izany tanàna izany i Lota. Azo antoka fa mpiasam-panjakana izy satria ny manam-pahefana, ny mpitsara, ary ny mpanjaka ihany no nomena izany tombontsoan'ny fipetrahana eo am-bavahady izany (2 Sam. 19:9, Jer. 38:7, Rota 4:1).

Saika nitovy ny Genesisy toko faha-19 sy ny faha-18 mikasika ny tantaran'ireo anjely niaraka tamin'i Abrahama. Samy nipetraka teo am-baravarana na teo am-bavahady i Abrahama sy i Lota (Gen. 18:1, Gen. 19:1); samy nampiantrano vahiny i Abrahama sy i Lota (Gen. 18:3, 4; Gen. 19:2). Na inona na inona mety ho fahalemen' i Lota dia toa nanana toetra tsara vitsivitsy nampiavaka azy ihany izy.

"Ary Jehôvah nandatsaka tamin'i Sôdôma sy Gômôra solifara sy afo, avy tamin 'i Jehôvah tany an-danitra, ka nandrava ireny tanana ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanana ary ny zava-manig teo amin'ny" .Gen. 19:24,25.

Tsy fantatsika ny isan'ireo mponina tao amin'ny tananan' i Sôdôma sy Gômôra tamin' izany andro izany, fa tamin'ireo olona an' arivony tao dia efatra monja no afa-nandositra izany, ary telo monja no avotra ny ainy. Toy izany koa tamin' ilay Safodrano tao amin'ny Genesisy. Tsy haintsika ny isan'ireo velona tamin' izany, fa ny fantatsika dia tsy voavonjy ny ankamaroan' izy ireo. 

Manana hambara amintsika sy ny asa nanirahana antsika io isa vitsin'ireo olom-boavojy tao Sôdôma io : tsy ny olona rehetra no ho voavonjy. Ny faniriantsika dia handray an'i Jesôsy sy hanaiky ny drafi-panavotany avokoa ny olona rehetra, saingy malalaka amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny mitaona olona maro araka izay azo atao hifidy an'i Jesôsy no anjarantsika. Manampy antsika amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina Andriamanitra eo am-panatanterahantsika ny asa nanirahana antsika, saingy tsy hanery na oviana na oviana ny sitrapon'ny olona Izy. Izao no atao hoe safidy malalaka: na inona na inona ataontsika, na manao ahoana na ahoana vavaka asandratsika, amin'ny farany dia miankina amin'ny safidy ataontsika ny famonjena. 

Ahoana no hianarantsika tsy ho kivy rehefa tsy araka ny faniriantsika ny vokatra azo avy amin'ny asa misionera nataontsika? 

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai
mar 16 Sep 2025
«Fais-moi voir ta gloire!»

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal