Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny asa nanirahana an'i Abrahama

Date
Mercredi 25 octobre 2023

Vakio ny Gen. 19:1-29. Inona ny vokatry ny toe-tsaina mandray vahiny sy be fitiavana nasehon'i Abrahama ary ny vavaka nataony?

Misy fanamarihana mahaliana hita ao amin' io lahatsoratra io momba ny toerana nisy an' i Lota tao amin'ny tananan'i Sodoma: "Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma" — Gen. 19:1. Maneho izany fa nitana toerana ambony tao amin' izany tanàna izany i Lota. Azo antoka fa mpiasam-panjakana izy satria ny manam-pahefana, ny mpitsara, ary ny mpanjaka ihany no nomena izany tombontsoan'ny fipetrahana eo am-bavahady izany (2 Sam. 19:9, Jer. 38:7, Rota 4:1).

Saika nitovy ny Genesisy toko faha-19 sy ny faha-18 mikasika ny tantaran'ireo anjely niaraka tamin'i Abrahama. Samy nipetraka teo am-baravarana na teo am-bavahady i Abrahama sy i Lota (Gen. 18:1, Gen. 19:1); samy nampiantrano vahiny i Abrahama sy i Lota (Gen. 18:3, 4; Gen. 19:2). Na inona na inona mety ho fahalemen' i Lota dia toa nanana toetra tsara vitsivitsy nampiavaka azy ihany izy.

"Ary Jehôvah nandatsaka tamin'i Sôdôma sy Gômôra solifara sy afo, avy tamin 'i Jehôvah tany an-danitra, ka nandrava ireny tanana ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanana ary ny zava-manig teo amin'ny" .Gen. 19:24,25.

Tsy fantatsika ny isan'ireo mponina tao amin'ny tananan' i Sôdôma sy Gômôra tamin' izany andro izany, fa tamin'ireo olona an' arivony tao dia efatra monja no afa-nandositra izany, ary telo monja no avotra ny ainy. Toy izany koa tamin' ilay Safodrano tao amin'ny Genesisy. Tsy haintsika ny isan'ireo velona tamin' izany, fa ny fantatsika dia tsy voavonjy ny ankamaroan' izy ireo. 

Manana hambara amintsika sy ny asa nanirahana antsika io isa vitsin'ireo olom-boavojy tao Sôdôma io : tsy ny olona rehetra no ho voavonjy. Ny faniriantsika dia handray an'i Jesôsy sy hanaiky ny drafi-panavotany avokoa ny olona rehetra, saingy malalaka amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny mitaona olona maro araka izay azo atao hifidy an'i Jesôsy no anjarantsika. Manampy antsika amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina Andriamanitra eo am-panatanterahantsika ny asa nanirahana antsika, saingy tsy hanery na oviana na oviana ny sitrapon'ny olona Izy. Izao no atao hoe safidy malalaka: na inona na inona ataontsika, na manao ahoana na ahoana vavaka asandratsika, amin'ny farany dia miankina amin'ny safidy ataontsika ny famonjena. 

Ahoana no hianarantsika tsy ho kivy rehefa tsy araka ny faniriantsika ny vokatra azo avy amin'ny asa misionera nataontsika? 

Ecole Sabbat Semaine

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés
mer 25 Mar 2026
Vivre dans ce monde sans en faire partie
jeu 26 Mar 2026
Un message pour Laodicée
ven 27 Mar 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (53)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal