Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fanomezan-pahasoaan'ny fampiantranoam-bahiny

Date
Dimanche 22 octobre 2023

Vakio ny Gen. 18:1-15. Inona avy ireo toetra maneho havana mampiantrano vahiny hita teo amin'ny fihetsik'i Abrahama tamin'ireo vahininy? 

Nafana ny andro, ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama. Tsy mahazatra io fihetsika io. Tamin'izany andro izany, rehefa fotoam-pahavaratra, amin'ny mitataovovonana, dia mitady fialokalofana sy tso-drivotra mangatsiatsiaka ny olona rehetra. Saingy angamba niaritra ny hafanana teo i Abrahama mba hanampy raha sendra misy olona mandalo eo?

Teo no nahitany mpivahiny telo lahy. Toa efa fanaony mihitsy ny mikarakara sy mampiantrano vahiny. Noho izany dia nanao ny dingana voalohany hisian'ny fihaonana i Abrahama. Araka ny voasoratra dia nihazakazaka nitsena ireo mpivahiny avy teo am-baravaran'ny lainy i Abrahama; izy no nanapa-kevitra hanatona azy ireo mialoha ny nanatonan'ireo azy.

 "Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo; dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga ai57 amin 'ny mpanomponareo hianareo." - Gen. 18:4,5. 

Fantar'i Abrahama ny asa nanirahana azy, dia ny hizara amin'ny rehetra ny fahalalana an'Andriamanitra eo anivon'ny tontolo tafalentika lalina tao anatin'ny fanompoan-tsampy isan-karazany.

 Ary "efa mihoatra ny arivo ny isan'ny fanahy ao anatin'ny tokantrano lehiben’ i Abrahama. Maro amin'izy ireo no loham-pianakaviana, ary tsy vitsy amin’izy ireo no mpanompo sampy vao niova fo. Raha fampianarana osaosa na tsy miorina tsara dia tsy ho nandaitra velively. (...) Koa dia nahatratra hatrany ivelan'ny tokantranony ny hery miasa mangina avy amin'i Abrahama. Na taiza na taiza no nanorenany ny lainy dia nanorenany alitara koa hanaovana fanatitra sy fanompoam-pivavahana. Rehefa nesorina ny lay dia nitoetra kosa ny alitara; ary maro ny Kananita mandalo, izay nahalala an’Andriamanitra noho ny oha-piainana nasehon'i Abrahama, no nijanona teo amin'izany alitara izany mba hanolotra fanatitra ho an 'i Jehôvah . " — FK, tt. 205,206.

 Hatrany am-boalohany dia takatr'ity lehilahy ity fa niantso azy hamita iraka Andriamanitra, ka ny fandehanany ho any amin'ilay Tany nampanantenaina dia tsy ho fialan-tsasatra tsy akory fa ho fitahiana ho an'ireo manodidina azy, ary ho an'izao tontolo izao koa amin'ny alalan'ny taranany. 

Inona ireo lesona avy amin'ny ohatra fampiantranoam-bahiny nasehon'i Abrahama, izay azonao ampiharina eo amin'ny fiainanao koa? 

Ecole Sabbat Semaine

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés
mer 25 Mar 2026
Vivre dans ce monde sans en faire partie
jeu 26 Mar 2026
Un message pour Laodicée
ven 27 Mar 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (53)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal