Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fitiavan'i Abrahama ny olona rehetra

Date
Lundi 23 octobre 2023

Vakio ny Gen. 18:16-33. Ahoana no nanehoan'i Abrahama ny fitiavany ny olona rehetra ka tsy nanavahany foko na firazanana na nizahany tavan'olona? 

Ny toetra tsara faharoa nananan'i Abrahama, hita ao amin'ny Gen. 18, dia ny fitiavany ny olona, na dia ireo izay tsy fantany manokana aza. Lesona lehibe ho antsika tsirairay izany. Mpanota ireo mponin'i Sôdôma sy Gômôra, lavitra tanteraka amin'ny fahalalany ny atao hoe tsara, kanefa feno fitiavana ny olona rehetra ny fony. Tsy nanavakavaka izy na firazanana, na lahy, na vavy, na fiteny, na fivavahana. 

Nambaran'Andriamanitra tamin' i Abrahama ary ny fanapahan-keviny handringana ny tananan'i Sôdôma sy Gômôra. "Hoy Jehôvah : Ny fitarainan'i Sôdôma sy Gômôra dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro." — Gen. 18:20,21. Tamim-panetren-tena lalina sy fanajana lehibe no nanaovan' i Abrahama fangatahana tamin'Andriamanitra: "Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao.Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?" — Gen. 18:25.

Noho ny fitiavany dia nanantena hamonjy ny olona rehetra tao amin'ireo tanàna ireo i Abrahama fa tsy ireo olo-marina ihany. Azo antoka fa fantatr’i Abrahama tsara ny faharatsian'ireo mponina tao. Iza no mahalala izay tantara efa reny momba ireo olona ireo sy ny fomba amam-panaony? Ary raha ny fantatsika, araka ny hita ao amin'ny toko manaraka misy ilay fitantarana mahatsiravina momba an'i Lota sy ireo vahoaka nanodidina ny tranony (jereo Gen. 19:1-11), dia ratsy indrindra ireo mponina ireo. Kanefa noho ny fahafantaran' i Abrahama manokana ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra azy, dia nila vonjy Taminy ho azy ireo izy. Fantatr'i Abrahama fa afaka miverina amin'Andriamanitra amin'ny fibebahana mandrakariva ny olombelona. Nihevitra izy fa ny famonjena ny mponina ao amin'ireo tanana ireo dia mety hanome azy ireo fahafahana hibebaka.

Raha ny marina dia niorina tamin'ny fahafantaran'ny tenany manokana ny fitiavan 'Andriamanitra ny olombelona ny fangatahan'i Abrahama. Izy rahateo nanam-pitiavana lehibe ny mpanota ary nahafantatra tsara fa raha mbola velona koa dia misy azo antenaina mandrakariva ny hahazoana famonjena. 

Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny vavaka fanelanelanana eo amin'ny fiainam-pivavahantsika? Rehefa mivavaka ho an'ny hafa isika, ahoana no hanampian'izany antsika hitombo ara-panahy sy hahatsapa lalina kokoa ny fitiavan'Andriamanitra ny mpanota? 

Ecole Sabbat Semaine

sam 12 Juil 2025
Un début difficile
dim 13 Juil 2025
Qui est l'Éternel?

Ecole Sabbat S. dernière

sam 05 Juil 2025
Le buisson ardent
dim 06 Juil 2025
Le buisson ardent
lun 07 Juil 2025
L'ange de l'Éternel
mar 08 Juil 2025
Le Nom de l'Éternel
mer 09 Juil 2025
Quatre excuses
jeu 10 Juil 2025
La circoncision
ven 11 Juil 2025
Réflexion avancée
sam 12 Juil 2025
Un début difficile

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • August 2024 (62)
  • septembre 2024 (57)
  • octobre 2024 (63)
  • novembre 2024 (60)
  • décembre 2024 (58)
  • janvier 2025 (60)
  • février 2025 (56)
  • mars 2025 (58)
  • avril 2025 (60)
  • mai 2025 (62)

Pagination

  • Page précédente
  • 2
  • Page suivante
Propulsé par Drupal