Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fitiavan'i Abrahama ny olona rehetra

Date
Lundi 23 octobre 2023

Vakio ny Gen. 18:16-33. Ahoana no nanehoan'i Abrahama ny fitiavany ny olona rehetra ka tsy nanavahany foko na firazanana na nizahany tavan'olona? 

Ny toetra tsara faharoa nananan'i Abrahama, hita ao amin'ny Gen. 18, dia ny fitiavany ny olona, na dia ireo izay tsy fantany manokana aza. Lesona lehibe ho antsika tsirairay izany. Mpanota ireo mponin'i Sôdôma sy Gômôra, lavitra tanteraka amin'ny fahalalany ny atao hoe tsara, kanefa feno fitiavana ny olona rehetra ny fony. Tsy nanavakavaka izy na firazanana, na lahy, na vavy, na fiteny, na fivavahana. 

Nambaran'Andriamanitra tamin' i Abrahama ary ny fanapahan-keviny handringana ny tananan'i Sôdôma sy Gômôra. "Hoy Jehôvah : Ny fitarainan'i Sôdôma sy Gômôra dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro." — Gen. 18:20,21. Tamim-panetren-tena lalina sy fanajana lehibe no nanaovan' i Abrahama fangatahana tamin'Andriamanitra: "Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao.Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?" — Gen. 18:25.

Noho ny fitiavany dia nanantena hamonjy ny olona rehetra tao amin'ireo tanàna ireo i Abrahama fa tsy ireo olo-marina ihany. Azo antoka fa fantatr’i Abrahama tsara ny faharatsian'ireo mponina tao. Iza no mahalala izay tantara efa reny momba ireo olona ireo sy ny fomba amam-panaony? Ary raha ny fantatsika, araka ny hita ao amin'ny toko manaraka misy ilay fitantarana mahatsiravina momba an'i Lota sy ireo vahoaka nanodidina ny tranony (jereo Gen. 19:1-11), dia ratsy indrindra ireo mponina ireo. Kanefa noho ny fahafantaran' i Abrahama manokana ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra azy, dia nila vonjy Taminy ho azy ireo izy. Fantatr'i Abrahama fa afaka miverina amin'Andriamanitra amin'ny fibebahana mandrakariva ny olombelona. Nihevitra izy fa ny famonjena ny mponina ao amin'ireo tanana ireo dia mety hanome azy ireo fahafahana hibebaka.

Raha ny marina dia niorina tamin'ny fahafantaran'ny tenany manokana ny fitiavan 'Andriamanitra ny olombelona ny fangatahan'i Abrahama. Izy rahateo nanam-pitiavana lehibe ny mpanota ary nahafantatra tsara fa raha mbola velona koa dia misy azo antenaina mandrakariva ny hahazoana famonjena. 

Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ny vavaka fanelanelanana eo amin'ny fiainam-pivavahantsika? Rehefa mivavaka ho an'ny hafa isika, ahoana no hanampian'izany antsika hitombo ara-panahy sy hahatsapa lalina kokoa ny fitiavan'Andriamanitra ny mpanota? 

Ecole Sabbat Semaine

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 Mar 2026
Persévérer dans la soumission à Dieu
dim 22 Mar 2026
Les sorties missionnaires
lun 23 Mar 2026
La connectivité de l’Église
mar 24 Mar 2026
Persister, parfaits et pleinement persuadés
mer 25 Mar 2026
Vivre dans ce monde sans en faire partie
jeu 26 Mar 2026
Un message pour Laodicée
ven 27 Mar 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (53)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal