Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO ANATIN'NY ANTSOANTSO MAHERY, METY HO RE VE NY BITSIBITSIKA?

Daty
Alatsinainy 29 July 2024

Vakio ny Mar. 5:1-20. Inona no azontsika fantarina avy amin'io tantara mahagaga io momba ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ary koa momba ny herin'i Jesôsy?

Tsy hay hadinoina iny alina teo amin'ny farihy iny; fa ny fahatongavana tao amin'ny tanin'ny Gerasena ny ampitso koa dia nanaitra, tsy Iatsak'izany. Voalaza amin'ny tsipiriany mahonena ny tantaran'ilay Iehilahy demoniaka. Tsy nisy nahafehy azy; nitoetra teny amin'ny fasana izy, ary nitetika ny tenany tamin'ny vato. "Tsy nisy olona nahafolaka azy" — avy eo dia nifanena tamin'i Jesôsy izy.

Nihazakazaka nanatona an'i Jesôsy ilay lehilahy — tsy voaresaka ny nataon'ny mpianatra (angamba nandositra izy ireo). Rehefa tonga teo amin'i Jesôsy ilay Iehilahy dia niankohoka teo anatrehany. Ny teny hoe "niankohoka" dia avy amin'ilay matoanteny grika hoe proskyneô, izay matetika adika koa hoe "mitsaoka". Toa fantatr'ilay Iehilahy fa i Jesôsy no Olona afaka hamonjy azy. Vantany vao nanokatra ny vavany hiteny amin'i Jesôsy anefa izy dia ireo demonia tao anatiny no niantsoantso. Ren'i Jesôsy tao anatin'ny antso maherin'ireo demonia kosa ny bitsiky ny talahon'ity Iehilahy ity, niantso vonjy. Nangataka tamin'i Jesôsy ireo demonia ireo mba havela hiditra ao amin'ireo andian-kisoa, dia navelan'i Jesôsy. Kisoa niisa roa arivo teo no indray nirohotra tany amin'ny hantsana ka maty an-drano. Fatiantoka ara-bola lehibe ho an'ny tompony izany.

Ny mahagaga dia ity: fantatr'ireo demonia tsara hoe iza moa i Jesôsy. Fantatr'izy ireo ny tsy fananany hery eo anatrehan'i Jesôsy, izay nahatonga azy ireo "nifona mafy" Taminy indroa (Mar. 5:10,12) mba hanekeny ny fangatahany. Miharihary ny fahafantaran'izy ireo fa manan-kery mahafehy azy i Jesôsy.

Manana toetra roa mampiavaka azy io tantara io. Voalohany, feno singa maneho tsy fahadiovana na fahalotoana araka ny Ialàn'ny fombam-pivavahana ao amin'ny TT izany. Ny fasana sy ny faty dia maloto (Nom. 19:11,16). Ny olona mandeha ra dia maloto (Lev. 15). Ary ny kisoa dia maloto (Lev. 11:7).

Faharoa, hita misongadina mihoatra noho ny fisesin'izany fahalotoana izany ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny herin'ny tsara sy ny herin'ny ratsy: noroahin'i Jesôsy ireo demonia; novonoin'ireo demonia ny andian-kisoa; nangataka an'i Jesôsy mba hiala ny taniny ireo mponina tao; ary i Jesôsy, rehefa avy nahasitrana ilay lehilahy, dia naniraka azy hijoro ho vavolombelona ho azy. Azo lazaina fa tsy ampoizina ho misiônera velively ity Iehilahy ity, saingy azo antoka fa nanana tantara mahagaga hotantaraina izy.

Inona ny fanantenana entin'io tantara io ho anao, izay momba ny herin'i Jesôsy mahavonjy anao amin'ny ady rehetra atrehinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal