" Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina: moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? " Nom. 23:19
Mofon’aina :
Izay misalasala mandrakariva sy mitady porofo fanampiny mba hampisava ny rahon’ny tsy finoany dia tsy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miankina amin’ny toe-javatra ny finoan’izy ireo, ary miorina amin’ny fihetseham-po. Kanefa ny fihetseham-po, na dia tsara aza, dia tsy finoana. Ny Tenin’Andriamanitra no fototra tokony hiorenan’ny fanantenantsika ny lanitra.
Mahonena ny olona mpisalasala mandrakariva, izay mampifantoka ny fijeriny sy ny fisainany amin’ny tenany. Raha ny tenanao no jerenao (...) dia tsy afaka hanantena ny hanahaka an’i Kristy ianao. Tsy mahavonjy anao ny “izaho” (...). Sambo vaky izay tsy tokony hiakaran’ny finoanao akory ny “izaho”. Amin’ny fotoana izay itokianao aminy no haharendrika azy. Mankanesa eo amin’ilay lakan’aina! Eo no hany fiarovana ho an’ny ainao. I Jesosy no kapitenin’ny lakan’aina, ary tsy mbola nisv mpandeha nentiny ka rendrika. – LU, 1897.
Ny rivo-piainan’ny lanitra no tena ilaintsika hanodidina ny fanahintsika. Ilaintsika ny hikasihana ny molotsika amin’ny vainafo avy eo amin’ny alitara. Ilaintsika ny mandre an’i Kristy manao izao teny izao: “madiova hianao.” Raha toa isika nampiely fahamaizinana na nanangona faharatsiana sy namafy fisalasalana ary namboly (...) hakiviana tao an-tsain’ny hafa, hanampy antsika hahita izany fahotantsika izany anie Andriamanitra! (...) Aoka isika hihaino izao fananarana izao: “Aoka ho masina hianareo amin’ny resaka hataonareo rehetra.” - 1 Pet. 1:15, dikanteny KJV. Raha misy voan’ny fisalasalana anankiray nafafy, dia tsy tratry ny herin’olombelona ny hamono izany. Andriamanitra irery no mahay manongotra azy avy ao am-po. (...)
Efa navelatra manoloana antsika ireo teny fikasan’Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ireny no hifikirantsika amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ao anatin’ireo fahasoavana ireo no ahafahan’ny fiangonana mamirapiratra sy maneho amin’izao tontolo izao amin’ny fomba mivaingana ny fahamarinan’i Kristy.
Ny finoana velona (...) no vatofantsika ho an’ny fanahy; mafy sy azo antoka izany. (...) Hoy i Jaona: “ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” – 1 Jao. 5:4. – Ms 66, 1895.