Na inona na inona ataon'Andriamanitra dia manao tahaka izany koa i Satana, saingy hosoka ny azy. Toy izany koa ny amin'ny mpaminany. Nisy mpaminany marina sy sandoka teo amin'ny Isiraely. Ny tena zava-dehibe dia ny fahafantarana ny maha samy hafa azy ireo.
Vakio ny Jer. 14:1-15. Inona no mitranga eto, ary ahoana no fijerin'Andriamanitra ireo izay mandainga ka mitonona ho "mpaminany" amin'ny Anarany?
Ao amin'ny Jer. 14, Andriamanitra dia nanome an'i Jeremia hafatra momba ny fitsarana an'i Joda, fitsarana izay hiseho amin'ny alalan'ny sabatra (ady), sy mosary ary areti-mandringana izany. Nanohitra ny hafatra nentin'i Jeremia ireo mpaminany sandoka tamin'izany andro izany. Tamin'ny fiteny mazava no nilazalazan'i Jeremia ny momba azy ireo: "Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo." - Jer. 14:14.
Ratsy ireo mpaminany sandoka satria matetika avy amin'ireo "andriamani-tsy izy" ivavahany no iavian'ny faminaniana ambarany (Jer. 23:13,14). Izao no fampitandremana avy amin'Andriamanitra: "Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy." - Jer. 14:14. "Mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony" izy ireo (Jer. 23:26). Nomen'Andriamanitra baiko koa i Ezekiela mba haminany hanohitra ireo mpaminany "maminany araka ny fony" - Ezek. 13:2.
Matetika ny mpaminany sandoka no manaraka ny hevitra ankamamian'ny besinimaro. Toy izany no nitranga tao amin'ny 1 Mpanj. 22, rehefa nivory araka ny baikon'i Ahaba mpanjaka ny "mpaminany" 400 (1 Mpanj. 22:6). Niray feo izy ireo nanoro hevitra ny mpanjaka mba hiady amin'i Ramota-Gileada. Nangataka torohevitra tamin'i Josafata mpanjakan'ny Joda i Ahaba rehefa avy nandre ny torohevitra nomen'ireo mpaminanin'i Aseraha izy ireo. Nanoro hevitra an'i Ahaba i Josafata mba hanontany an'i Mikaia mpaminany raha tokony handeha hiady izy ireo na tsia. "Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa." - 1 Mpanj. 22:13.
Azo inoana fa nitovy tamin'ny tsindry nahazo ireo mpaminany sandok'i Aseraha ihany no nahazo an'i Mikaia izay nasaina nandainga. Kanefa tsy nanaraka ny hevitry ny maro i Mikaia fa niandry an'Andriamanitra hilaza aminy izay tokony holazainy (1 Mpanj. 22:14).
Na mpaminany ianao na tsia, dia mora mandrakariva ny manaraka izay tian'ny besinimaro. Rehefa dinihina anefa ny kolontsaina izay feno faharatsiana, nahoana no tsy tsara mandrakariva ny manao izany?