Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 2:12-30; Rom. 3:23,24; Rom. 5:8; 2 Tim. 4:6; 1 Kôr. 4:17; 2 Tim. 4:21, 13; Lio. 7:2.

Tsianjery "Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." — Fil. 2:14,15. 

Nasain'Andriamanitra nankato ny Hebreo satria ny fankatoavana "no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalana rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona henthy sy manan-tsaina tokoa io firenena io" hoy Izy — Deo. 4:6.

 Hoy i Jesôsy taonjato maro taty aoriana: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina."— Jao. 8:12. Hoy koa lzy: "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra." — Mat. 5:14. Ahoana no hahatonga antsika ho fahazavana toy izany? Amin'ny alalan'ny fifandraisana ety amin'i Jesôsy ihany, llay "tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao."— Jao. 1:9. Araka ny voalazan'ny Fil. 2: "izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesôsy no handohalehan'ny lohalika rehetra, (...) sy haneken'ny lela rehetra fa Jesôsy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray"- Fil. 2:9-11.

Azontsika rehetra izay nanolo-tena ho an'i Jesôsy atao ny manana ny fahazavana sy ny hery avy any an-danitra. Kanefa matetika loatra isika no miandry an'Andriamanitra hanao ny zava-drehetra, na koa ny hevitsika sy ny drafitsika no manakantsakana izany. !zany no mahatonga ny tenin'i Paoly ho an'ny Filipianina ho manan-danja tokoa ankehitriny. 

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.

Daty
Alahady 25 January 2026

Rehefa avy nampiseho an'i Jesôsy ho ohatra tonga lafatra amin'ny fanetren-tena sy ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra i Paoly, dia mitodika amin'ny Filipianina indray izao. Hamafisiny ny tokony hankatoavan'izy ireo ny Tompo rehefa avy nandray ny filazantsara • izy ireo (jereo ny Asa 16:13-15,32,33), ary ampirisihiny ny hankatoavan'izy ireo toy izany hatrany.

Rehefa avy naneho ny oha-piainan'i Kristy sy ny haze fijaliana ho toy ny lalam-pamonjena izy, dia mifantoka mivantana kokoa amin'ny fisehon'izany rehetra izany eo amin'ny fiainana.

Vakio ny Fil. 2:12,13. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe "miasa (...) hahatanteraka ny famonjena anareo"? Ahoana no hanazavanao ny fifandraisan'ny finoana sy ny asa?

Ao amin'ireo andininy roa ireo dia tsy maneho filazantsara hafa ankoatra izay efa nosoritany tao amin'ny Rômana sy tao amin'ireo epistiliny hafa i Paoly. Azo antoka fa mifanaraka amin'ny filazantsaran'ny fanamarinana amin'ny finoana, izay notoriny tany Filipy sy tany amin'ny toerana hafa, ny hafany eto. Nefa zava-dehibe koa ny mandinika izay rehetra Iazain'ny Baiboly momba ny lohahevitra iray, indrindra momba ny famonjena, izay mety hahadiso hevitra ny ankamaroany tokoa.

 Vakio ny Rôm. 3:23,24; Rôm . 5:8; ary ny Efes. 2:8-10. Inona no ampianarin'ireo andinin-teny ireo momba ny famonjena?

Tsy isalasalana fa asan'Andriamanitra ny famonjena, ary tsy misy fahamendrehana avy amintsika na Inona na Inona mety hahazoantsika izany. Ny finoana aza dia fanomezana, izay mitombo amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Tsy mahavonjy antsika ny asan'ny tenantsika manokana; na izany aza, amin'ny alalan'ny fahateraham-baovao, dia mamorona antsika indray Andriamanitra ho olom-baovao ara-panahy, ka manome hery antsika hanao asa tsara. Miasa ao anatintsika ny Fanahin'Andriamanitra, manome hery ny sitrapontsika mba hisafidy ny marina, hanohitra ny fakam-panahy, ary hanao safidy tsara.

Araka izany, miasa hahatanteraka ny asan'Andriamanitra ao anatintsika isika, «amin'ny tahotra sy ny hovitra» — Fil. 2:12. Midika ve izany fa tokony hihorohoro noho ny tahotra ny fitsaran'Andriamanitra isika satria matetika no marefo ny ezaka ataontsika amin'ny fankatoavana Azy? Tsia, tsy izany velively. lo andian-teny io dia manondro ny fahatsapana ny fanatrehan'Andriamanitra (jereo ny Sal. 2:11) sy ny ilantsika mankato Azy.

Tamin'ny fomba ahoana no efa nahatsapanao fa miasa ao anatinao i Kristy? Ahoana anefa no anoheranao, amin'ny maha voary lavo anao, ny asan'Andriamanitra ao anatinao, ary ahoana no ahafahanao miady amin'izany fironana izany? 

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.

Daty
Alatsinainy 26 January 2026

Manafatra ny Filipianina i Paoly ao amin'ny Fil. 2:14, mba hanao "ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana." Sarotra tokoa ny mitahiry ny firaisan'ny fiangonana ka tsy vita izany raha tsy misy ezaka lehibe avy amintsika. Vokatry ny firaisantsika amin'i Kristy sy ny fankatoavantsika ny Teniny ny firaisana ao anatin'ny fiangonana. Ary ain-dehibe ho an'ny asa fitoriantsika izany, araka ny hazavain'i Paoly, izay miantso antsika mba hiseho "tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao."- Fil. 2:15.

Amin'ny alina tsy misy volana sy lavitry ny hazavan'ny tanana sy ny jiron'ny lalana, dia kintana maro kokoa no hita toa mamirapiratra kokoa. Ny tsy fitoviana no mahatonga ny fahasamihafana. Arakaraka ny maha maizina ny lanitra no mampamiratra kokoa ny hazavan'ny kintana. Toy izany koa rehefa mitory isika. Arakaraka ny maha maizina ara-pitondrantena ny tontolo manodidina antsika no mampiharihary ny fifanoherana misy eo amin'ny fiainan'ny mpanara-dia an'Andriamanitra marina sy ny an'ny olon'izao tontolo izao. Zava-dehibe, noho izany, ny tsy hamelantsika ny jiro amboamboarin'izao tontolo izao hampanjavozavo na hamono ny fahazavantsika amin'ny heviny, ny fanereny, na ny fomba amam-panaony.

Vakio ny Fil. 2:15,16. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly ny tokony ho toetrantsika sy ny tokony hataontsika, amin'ny maha zanak'Andriamanitra antsika?

Ny hoe "tsy manan-tsiny" dia midika hoe "tsy misy kilema, tsy misy kianina." Nampiasaina manokana izany nilazana ny toetran'i Jôba (jereo ny Jôba 1:1,8; Jôba 2:3; jereo koa ny Jôba 11:4; Jôba 33:9). Ny teny grika nadika hoe "tsy misy fitaka" dia midika ara-bakiteny hoe "tsy mifangaro, madio". Eo anatrehaniny famelezana feno herisetra izay mety hihatra amin'ireo vavolombelony, dia mandrisika antsika i Jesôsy hoe "mora aoka ho tsotra] (avy amin'itay teny grika nadika hoe 'tsy misy fitaka' ihany) tahaka ny voromailala" - Mat. 10:16. Manasa antsika koa i Paoly mba "tsy hiharo amin'izay ratsy" – Rôm. 16:19. Tsy malaza amin'ny fahadiovana, na amin'ny fanabeazana tsara, na amin'ny fampaherezana marina ny haino vaky jerintsika ankehitriny. Fitsipi-piainana tsara ho antsika amin'izao andro izao tokoa ny fanaon'i Davida: "Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho.'' - Sal. 101:3.

Tsy tokony hatahotra ny hiavaka isika — ny finoantsika aza dia vao mainka tokony hampiavaka antsika bebe kokoa hatrany. Ny isehoantsika "tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao" no tanjona - Fil. 2:15. Ny fomba tokana hahavitana izany dia ny tsy fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao (Rôm. 12:2) amin'ny fitanana mafy ny tenin'ny fiainana (Fit. 2:16). Ny safidintsika no mamaritra na hanana antom-pifaliana amin'ny "andron'i Kristy" isika na "nihazakazaka foana na nisasatra foana" (Fil. 2:16; ampitahao amin'ny 1 Kor. 9:24-27).

Raha misy lafiny «manaraka ny fanaon'izao tontolo izao ny fiainanao (ary mety misy tokoa izany), ahoana no hahadio anao ho afaka amin'izany? 

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.

Daty
Talata 27 January 2026

Vakio ny Fil. 2:17; 2 Tim. 4:6; Rôm. 12:1,2; ary ny 1 Kor. 11:1. Inona no tian'i Paoly holazaina ao amin'ireo andininy ireo?

Efa nasehon'i Paoly tamin'ny fomba manaitra ny tsy fahatapahan-keviny momba ny fiainany na ny fahafatesany eo am-panompoana an'i Kristy (Fil. 1:20-23). Izao indray izy dia milaza fa tena azony atao tsara ny "haidina ho fanatitra aidina" (Fil. 2:17). lo sary io dia mifototra amin'ny fanaon'ny Isiraely fahiny amin'ny fanaovana fanatitra aidina, izay nampiasana ranoka (toy ny menaka, divay, na rano) ho fanatitra ho an'Andriamanitra (jereo, ohatra, ny Gen. 35:14; Eks. 29:40; 2 Sam. 23:15-17). Ity toa "fandaniam-poana" ranoka sarobidy ao anatin'ny fanompoam-pivavahana ity dia mety hampahatsiahy antsika ny nataon'i Maria tamin'ny nanosorany ny lohan'i Jesôsy sy ny tongony tamin'ny "menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra" (Mar. 14:3-9; Jao. 12:3). Na tsy tena fanatitra aidina aza izany, dia naneho mazava fahafoizan-tena lehibe izay mampiseho tsara ny sorona tsy manam-petra nataon'i Kristy ho famonjena antsika.

Raha hovonoina noho ny fanapariahany ny filazantsara i Paoly, dia faly izy satria ho fanatitra "haidina" ho an'Andriamanitra ny fiainany. Tsy mandeha irery mantsy ny fanatitra aidina ao amin'ny Baiboly hebreo fa miaraka amin'ny sorona (jereo ny Nom. 15:1-10; Nom. 28:1-15), koa heverin'i Paoly fa ny fanolorany ny ainy no mameno ny "fanatitra sy fisoronana" ho an'ireo mpino tany Filipy, izay nifidy ny hanokana ny fiainany ho an'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny finoana, ho toy ny "fanatitra velona". - Rôm. 12:1.

Nazoto nizara ny finoany ireo Kristianina voalohany, anisan'izany ireo tany Filipy (Fil. 1:27-29). Nitety tokantrano izy ireo nitory ny fitazantsara (Asa 5:42). Novohan'izy ireo ny tranony mba hahafahana miara-mandinika ny Soratra Masina (Asa 12:12; 1 Kor. 16:19; K61. 4:15; Filem. 1,2), ary hainy ny nanazava ny anton'ny finoany, ao amin'ny Soratra Masina (Asa 17:11; Asa 18:26; 1 Pet. 3:15). Nanao toy izany koa ireo mpamaky lay advantista. Tsy niantehitra tamin'ny pasitora izy ireo mba hanapariaka ny hafatra amin'ny mpiara-belona aminy, fa nizara ny finoany, nampianatra Baiboly, ary nanomana ny olona ho vonona hatao batisa rehefa miverina ny mpitandrina.

Raha fintinina dia tamin'ny alalan'ny fahafoizan-tena lehibe, izany hoe, ny fanoloran'izy ireo ny tenany ho "fanatitra velona", no niasany sy nampielezany ny filazantsara. Ho latsaka noho izany ve ny tokony hataontsika?

Saintsaino ny hevitr'izany hoe ny fiainanao dia "fanatitra velona." Hatraiza ny fahafoizan-tenanao ho an'ny fanjakan'Andriamanitra? lnona no ambaran'ny valin-teninao momba ny tenanao? 

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Daty
Alarobia 28 January 2026

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Daty
Alakamisy 29 January 2026

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Daty
Zoma 30 January 2026

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal